- Publicité -
mercredi, septembre 9, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversANTSIRABE : YMCA / Hatao renivohitry ny fampandrosoana ny tanora ny tananan’Antsirabe

ANTSIRABE : YMCA / Hatao renivohitry ny fampandrosoana ny tanora ny tananan’Antsirabe

Fikambanana iraisam-pirenena ny  YMCA, ao Antananarivo no misy ny foibeny saingy faritra maro no efa  ahitana masoivohiny eto amin’ny Nosy. Isan’izany ny tanan’Antsirabe izay hatao ho renovohitry ny fampandrosoana ny tanora raha ny nambaran’ny filohan’ny YMCA Rakotonirina Rijavola Rama nandritra ny atrikasa izay notanterahina teto Antsirabe ny faran’ny herinandro lasa teo. Atrikasa izay nentina hanairana sy  nampahafantarana  ireo mpiara-miombon’antoka ny hieverana ny tanora sy hitondrana azy ho amin’ny fampandrosoana. Tsy azo adinoina fa tanora ny ankamaroan’ny mponina eto Madagasikara; noho izany dia tokony hitodika any amin’ny tanora ny lafiny fampandrosoana, ny tanora rahateo no manana herijika raha ny fandrosoana ara-ekonomika no resahina hoy Herininiaina Andriamalala, talen’ny fandaharan’asan’ny fikambanana YMCA. Hatao vaindohan-draharaha ny fijerena ny tombony hananan’ny tanora asa dia ho mora ny hanatrarana  ny tanjona izay faritana.

Andrasana taorian’ny atrikasa ny fizarana paik’ady hahafahana mampandroso ny tanora sy ny fandraisan’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny sehatra tsy miankina anjara. Mikasa ny hanao festival iray goavana eto Antsirabe ny YMCA ny volana Novambra amin’ity taona ity mba ho entina hanehoana fa apinga iray lehibe amin’ny fampandrosoana ny tanora.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici