#- Lahiantitra nanolana zaza dimy taona. Nitranga tao amin’ny tanàna iray tao amin’ny kaominina Sabotsy Namatoana, distrikan’Ambatolampy ny alatsinainy lasa teo. Mpifanolo-bodirindrina amin’ity fianakavian’ity zaza niharan’ny herisetra ara-nofo ity ihany ity lahiantitra 69 taona tsy mahay miaina ity. Nosamborina avy hatrany moa ity farany. Ilay zaza kosa, potika tanteraka, ary efa nomena fitsaboana.
#- Jiolahy iray indray no voatifitry ny zandary, ny alin’ny alahady, tao Mahitsy, taorian’ny fifanenjehana. Rehefa tonga hisambotra ity olona voalaza fa jiolahy ireo zandary dia nitsoaka avy hatrany ity farany no sady nitifitra ireto mpitandro filaminana. Raikitra teo ny fifandonana ka voatifitra noho izany ity olon-dratsy. Marihina fa isan’ireo olon-dratsy voarohirohy tamin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana ity voa ity.
Nangonin’i m.L




