Mody miady eny ampovoan’arabe izy roa lahy ary miandry kendry tohana izay môtô sendra mandalo. Ny mpitondra izany, tsy manam-po velively akory ny fivadihan-javatra, raha tsy efa mitsarara amin’ny tany, voavely amin’ny hazo.
Mazava izao fa anisan’ny faritra iray, ataon’ireo mpanafika môtô, lasibatra ihany koa ny eny amin’iny faritra Ambohimanarina iny amin’ny andro alina. Soa ihany, manantanteraka fisafoana tsy tapaka amin’izany toerana izany ireo mpitandro filaminana. Vao andro vitsy lasa izay, roa lahy anisan’ireo tratra ambodiomby, nanafika môtô, teny an-toerana mihitsy no voasambotra ary nadoboka am-ponja.
Ny zava-nisy. Tokony ho tany amin’ny misasak’alina tany ho any, mpitondra môtô iray no efa nataon’ireo olon-dratsy « sakafo », tsy lavitry ny sampan-dalana teo Ambodivonikely, Ambohimanarina iny. Ny paikadin-dry zalahy, entina hampijanonana ilay môtô dia toa ireny olona mamo miady eo ampovoan’arabe ireny izy ireo. Mazava ho azy, na lasa mandeha mora tampoka na voatery mijanona mihitsy ilay mpitondra môtô teo anatrehan’izay. Ary tampoka eo, mirohatra avy hatrany any amin’ity farany izy roa lahy mody niady teo, ka ny iray nanosika ilay mpitondra môtô, ny iray nively azy tamin’ny hazo nisy fantsika. Nisy nampandre avy hatrany ny zava-nitranga ireo polisy nijanona tsy lavitra teo, ka namonjy avy hatrany. « Tsy nanam-potoana nanosehana ilay môtô akory ry zalahy, hoy filazam-baovao, fa nirifatra nandositra avy hatrany raha vao nahita ireo pôlisy ». Tsy nanaiky hatramin’ny farany ihany koa ireto mpitandro filaminana fa dia raikitra teo aloha ny fifanenjehana. Tsy ela dia voasambotra izy ireo ary nentina nihazo ny kaomisaria. Ilay mpitondra môtô kosa, raha ny vaovao azo dia naratra ary nentina avy hatrany tany amin’ny hôpitaly. « Efa tsy misy ahatahorana ny ainy ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy izy », hoy hatrany ny fanambarana azo.
Tamin’ny fakàna am-bavany azy roa lahy ireto moa dia niaiky soa aman-tsara ry zalahy fa nikasa ny hangalatra izany môtô izany mihitsy. Efa natolotra teny amin’ny Fampanoavana ny raharaha ary efa nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ry zalahy ireto, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
m.L




