- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsalovana : Nanaovana be-midina ireo mpiloka an-dalambe

Antsalovana : Nanaovana be-midina ireo mpiloka an-dalambe

Ao anatin’ny fanatanterahana ny asa famongorana ireo asan-joilahy sy ny tsy fandriam-pahalemana eto Antananarivo tanetraka ny polisim-pirenena ankehitriny. Manoloana izany dia miezaka manafoanana ireo filokana an-dalambe ka mamory jiolamboto eran’ny elakela-trano ireny ny avy eo anivon’ny paositry ny polisy Antaniavo (PPA). Nahitam-bokany izany omaly 9 martsa tokony ho tamin’ny 3 ora maraina. Lehilahy miisa telo, 18, 22, ary 25 taona no tra-tehaka niloka an-dalambe teny Antsalovana, nanao « jeu de hasard ». Araka ny loharanm-baovaon’ny polisy no nahafantarana fa rehefa avy manao ny asa ratsy toy ny fanendahana sy ny sinto-mahery ireo jiolahy dia mandeha miloka sy mitarika ireo andian-jatovo toy izao. Efa eo am-panaovana fanadihadiana ireo telo voasambotra ny eo anivon’ny PPA ankehitriny ka andrasana ny hanolorana azy ireo ny Fitsarana.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici