- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanaovana « facture » hosoka : Tovovavy mpivarotra karohin’ny pôlisy fatratra

Fanaovana « facture » hosoka : Tovovavy mpivarotra karohin’ny pôlisy fatratra

Randrianarison Haingotiana Frederica, fantatra amin’ny anarana hoe Erica no ambaran’ny pôlisy fa karohin’izy ireo fatratra amin’izao, araka ny hita tao amin’ny pejy facebook ofisialin’ny polisim-pirenena. Ity vehivavy 35 taona ity, raha ny voarakitra ao hatrany, dia voarohirohy tamin’ny resaka hosoka sy fanaovana hosoka, ary halatra vola.

Niasa tao amin’ny orinasa lehibe iray ity vehivavy ity, raha ny voalazan’ny pôlisy hatrany, ary niandraikitra manokana ny resaka vidin’entana tao. Izy araka izany no mandrafitra ny « facture » ary manome izany ho an’ireo mpanjifa. Nisy anefa ny fitoriana napetraky ny tompon’ny orinasa taty aoriana rehefa nisy mpanjifa tonga nitairana fa « facture » hosoka no azon’izy ireo. Tsy vitan’izay fa mbola midangana be tsy amin’ny tokony ho izy akory ireo vidin’entana voasoratra tao amin’io « facture » io. Raha ny voalaza hatrany dia efa tafakatra hatrany amin’ny 16 tapitrisa ariary tany ho any ny vola azo tamin’izany fametsifetsena sy fanaovana hosoka izany. Tao anatin’izany moa, raha ny voarakitra tao anatin’ity filazàna fampikarohana ity dia efa tsy tonga niasa intsony ny anao vavy.

Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo mpitandro filaminana, teo anatrehan’ny zava-nisy, ary tonga tany an-tranon’ity vehivavy ity hisambotra azy. Tsy hita tany nanjavonana hatramin’izao anefa ity farany, antony namoahan’ny pôlisy izao filazàna fampikarohana izao. Toerana nahitàna azy farany, hoy hatrany ny vaovao, dia teny Ankadikely Ilafy. « Iangaviana izay mahita na mahalala azy mba hampandre ny Polisy ekonomika etsy Ambohidahy na koa hiantso ny laharana :

 034 66 644 99. Ny Polisim-pirenena dia manome toky fa tanana ho tsiambaratelo ny mombamomba ny mpanome vaovao. Ampahafantarina ny rehetra fa izay mampiantrano na mitahiry na manafina olon-dratsy dia naman’ny mpiray tsikombakomba aminy ka tsy maintsy hohenjehina araka ny lalàna »

Nangonin’i m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici