- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHalatra fingotra tamin’ny « kianja manara-penitra » : Naverina tamin’ny orinasa nanamboatra azy...

Halatra fingotra tamin’ny « kianja manara-penitra » : Naverina tamin’ny orinasa nanamboatra azy ireo entana halatra

Omaly no tontosa ny famerenena ireo fingotra, (« granulés de caoutchouc » ), nisy namoaka sy nanodikodina tao amin’ny kianja manara-penitra tao Moramanga sy Ambatondrazaka. Araka ny voarakitry ny didy fameranana izay voasonian’ny mpitsara mpanao famotorana eo anivon’ny tribonaly Anosy dia averina madiodio amin’ny orinasa izay nanangana ireo kianja ireo, ireto entana halatra ary nogiazan’ny zandary ireto. Marihana fa anisan’ny singa fanamboarana ireo kianja ireo ireto fingotra ireo. Tsiahivina fa ny voalohandohan’ny volana teo no nisy ny angom-baovao azon’ny zandary mahakasika ny fangalarana izany fingotra izany, nivoaka avy tao amin’ireo kianja manara-penitra voalaza etsy ambony ireo. Aman-taonina maro, (6,450t) no fantatra fa tafavoaka tamin’izany ary nogiazana avy hatrany. Ny antsasak’izany dia saika sarona teny an-dalana avokoa, raha hita tany an-tranon’ilay olona mpaniraka sy mpandray ireo entana halatra kosa ny ankabezany. Tao anatin’ny fanadihadian’ireo zandary dia olona folo no voasaringotra tamin’izany raharaha izany. Saika mpiasan’ilay orinasa nahazo ny tolo-bidy hanao izany asa izany ny sasantsany, injeniera sy « chef de chantier » ary mpiambina. Iretsy voalohany moa no fantatra fa nadoboka am-ponja vonjimaika, raha fanaraha-maso ara-pitsaràna kosa no azon’ireo ambiny.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici