Handeha hitady vola hitsaboana ny zafikeliny no niaingany tao an-trano kanjo namoy ny ainy, nianjeran’ny rindrin’ny trano rava iray, tsy lavitry ny toeram-ponenany ity lehilahy lehibe iray, raha teo am-pangalàna ireo biriky tamin’izany. Zava-nitranga tao Ambomiadana Andramasina ny andron’ny alakamisy lasa teo.
Tokony ho tamin’ny mitataovononana tany ho any no nitranga ny loza, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Antsampimahazo, kaominina Ambohimiadana, distrika Andramasina. Lehilahy tokony ho 67 taona tany ho any ho naratra mafy, sy tsy nahatsiaro tena intsony rehefa nianjeran’ny biriky, tamin’ny trano rava iray tao amin’io toerana io. Noho ny dona sy ratra nahazo azy anefa dia tsy tana intsony ny ainy, teny an-dalana ho any amin’ny mpitsabo. Raha ny fampitam-baovao azo dia handeha hanangona sy haka ireo biriky, tao amin’ity trano rava iray ity ny tenany no izao nitranga izao ny loza. Raha ny angom-baovao azo dia voalaza fa toe biriky saika hitadiavany mpividy, entina hitsaboana ny zafikeliny ireo saika alainy ireo. Indrisy anefa fa dia izao fahafatesana izao, noho ny loza tampoka, izao no vokany. Efa nidina teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy moa ireo zandary. Tonga nitsirika ny razana ihany koa ny mpitsabo ary taorian’izay dia efa natolotra ho an’ireo fianakaviana ny vatana mangatsiakan’ity raim-pianakaviana ity. Amin’ny toe-javatra tahak’izao, indrindra fa rehefa misy ny aina nafoy, dia tsy maintsy misy ihany koa ny fanadihadiana misokatra ataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany. Ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimiadana no fantatra fa miandraikitra izany, raha ny fampitam-baovao azo hatrany.
Taorian’ireny oram-be nifanesisesy teto amintsika ireny, ary ireo izay mbola ho avy, araka ny vinavinan’ny famantarana ny toetr’andro dia ilaina tokoa ny mitandrina sy ny tsy fahatokisana be loatra ireo rindrina izay efa manome fambara fahasimbana, na mitriatra izany na mibontsina, indrindra fa rindrina efa tsy misy mpitazona intsony, toy ireny fahita amin’ny trano rava ireny. Misy aza moa ireo tsy manome fambara akory fa avy hatrany dia mirodana, toy ny ilay nitranga tetsy Ivandry, vao andro vitsy lasa izay.
m.L