Ny Akany fitaizana ireo zaza kamboty zanak’ireo polisy lavo am-perin’asa any Ambatolampy no nanatanterahan’ny Ministeran’ny Polisim-pirenena ny fambolen-kazo nasionaly an’ity departemanta ity. Omaly no natao izany ka zana-kazo maro karazana miisa 2000 fototra no natsatoka tamin’izany. Nitarika izao asa sy adidy lehibe ho fanatanterahana ny vinan’ny Fitondram-panjakana ankehitriny izao tany an-toerana ny Minisitry ny Polisim-pirenena Randrianarison Fanomezantsoa sy Ramatoa vadiny. Nambarany tamin’ny fandraisam-pitenenana fohy nataony fa nofidiana ity toerana ity noho izy manana ny tantarany lehibe tokoa eo amin’ny fiainan’ny polisy. Io akany io izay hanolokoloana ireo ho izay hitondra avo ity firenena ity any aoriana any nefa dia voasembandrahona ny fiainany. Mirefy 13 ha ny velaran-tany misy ity akany ity ka heverina fa tsy maintsy hofefena izany ka izao fambolen-kazo izao dia tafiditra ao anatin’io asa famefena io. Hisy ihany koa, hoy ny Minisitra, ny foto-drafitr’asa kasaina mbola haorina ao tsy ho ela . Nialoha izao fambolen-kazo izao moa no nanoloran’ny fikambanana mpanao asa soa antsoina hoe « Donnons-nous la main » fanampiana ho fandraisany anjara amin’ny fampiroboroboana ity akany ao Ambatolampy ity. Fanomezana izay nahitana kidoro miisa 20, Siramamy 30 lasaka, menaka sy kilalao ary vatomamy.
T.M.




