Taolam-paty milanja 50 kilao be izao no tra-tehaky ny zandary tao Ampasapito, kaominina Anosibe an’Ala, distrikan’i Moramanga, ny herinandro lasa teo. Olona fito no tra-tehaka tamin’izany.
Angamba noeritreretin’ireo olon-dratsy ho ahitàna mpividy mora foana izany taolam-paty izany ka nentina nivezivezy tany amin’iny kaominina Anosibe an’Ala iny. Nahasarika haingana ny mason’ny rehetra anefa izany. Izy ireo ihany koa, olona fito, ilay milonjehitra izany entana amin’ny gony izany, toa nampiahiahy ihany. Teo avy hatrany dia nampandre ny mpitandro filaminana tany an-toerana ny fokonolona. Nandray ny andraikiny tamin’ny fametrahana ireo paik’ady isan-karazany ihany koa tetsy andanin’izay ireo zandary, niaraka tamin’ny fokonolona tamin’ny fikarohana ireto olona voalaza ireto. Rehefa nisy ny vaovao azo ny amin’ny fihaodihaodin’ireto fitolahy milanja gony ireto, tao amin’ny toerana antsoina hoe Ampasapito dia nidina avy hatrany tany an-toerana ny zandary. Tokony ho tamin’ny dimy ora hariva tany ho any no tsikaritra izy ireo. Ireto farany kosa raha vao nahita ireo mpitandro filaminana dia vaky nandositra avy hatrany, namela ilay entam-be teo. Telo lahy no tsy afa-nihetsika sy noraism-potsiny niaraka tamin’ity entana, ka rehefa nosavaina dia taolam-paty avokoa. Ny efa-dahy kosa, tsy lasa lavitra fa ny ampitson’io dia voasambotra tao amin’ny kaominina Antandrokomby, raha nikasa ny handeha hitsoaka any Marolambo.
Araka ny voalaza dia tambajotra iray izy ireo, izay efa samy manana ny anjara asany tsirairay avy. Misy ireo mpamaky fasana, ireo mpitahiry ny entana, ny mpitady mpividy ary ny atidoha tompon’ny ketrika. Ny tena nahazendana tao anatin’izay dia nisy tamin’ireto olona ireto no mpitondra fivavahana any an-toerana, ary ny atidoha tao ambadik’izany famakiana fasana izany dia mpianatra iray avy amin’ny anjerimanontolo ao Toamasina ao. Marihina fa saika ny ankabeazan’ny vaky fasana nitranga tany amin’iny faritra iny dia ireto olona ireto avokoa. Nisy fotoana aza, ny faramparan’ny taona lasa teo, tena nirongatra tanteraka izany tao Anosibe an’Ala sy Marolambo tao. Ny tsy fantatra hatreto aloha dia ny hoe efa voalamina sy voaresaka ve ny mpividy sa mbola vao hotadiavina. Heverina fa hitohy hatrany ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana ary ho voavaly tsy ho ela amin’izay ilay fanontaniana manitikitika ny rehetra ny amin’ny antony ilàna itony taolam-paty itony.
m.L




