Mpitondra moto iray no maty rehefa nofahon’ny fiara 4X4 teo Mahamasina na ny marimarina kokoa iny lalana mihazo an’Ankadilalana iny ny Sabotsy alina teo. Tokony tamin’ny 8 ora alina no nitranga ny loza raha araka ny tatitra avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Araka ny fantatra dia efa eo am-pelatananan’ny polisy ilay mpitondra ity fiara ity ankehitriny hanaovana fanadihadiana, izay antenaina fa ho hentitra tokoa ny fanatanterahana izany raha ny zava-nitranga tamin’io alina io no hiverenana araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Moto maromaro no niaraka nizotra iny lalana miainga avy aty Mahamasina iny ka hihazo an’Ankadilalana tamin’io fotoana io. Tonga avy any ilay 4X4 izay nirimorimo ary saika nandona ny iray tamin’ireo moto ireo. Niezaka nanajanona ity farany ireo mpitondra moto nefa tsy noraharahian’ity voalohany izay sady nanao vava be ihany koa no lasa nanohy ny diany nihazo iny lalana mandalo ny farmasia akaikin’ny Gerb’or iny. Niezaka nanaraka sy nanenjika azy ireo moto ka ny iray no nibahana azy rehefa hiakatra iny lalana hivily any Ankadilalana iny. Tsy nijanona anefa ilay fiara fa tonga dia nohitsiany fotsiny izao ilay moto ka voadona ka izay no nahafaty ilay mpanamory azy. Nohon’ny tahotra ny fitsam-bahoaka hono dia nizotra nankao amin’ny tobin’ny zandary ao Ankadilalana ilay fiara. Marihina fa efa nanomboka nitangorna ny olona raha vao nisy io fifandonana io. Teo vao taitra ireo zandary ka nisambotra ilay mpamily. Ity farany izay voalaza fa nandrenesana fofon-toaka. Manoloana izany dia niantso ny polisim-pirenena izay misahana ny lozam-pifamoivoizana na ny BAC ny zandary mba handray an-tanana ity raharaha ity.
T.M.




