Ny zoma tolakandro teo no nanambara tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny trano fisakafohanana “La Marmite” Mangarano II, ny firotsahany ho isan’ny kandida amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny Oniversiten’i Toamasiana ny sojaben’ny sampam-pampianarana DEGMIA Dr Razanakolona Diny.
Nampahafantarina izany avokoa ireo mpampianatra sy ny mpandraharaha eo anivon’ny anivon’ny Oniversite, teo koa ireo tangalamena ivondronan’ireo foko 18 misy eto Madagasikara, ireo olona maro liana amin’izany raharahan’ny Oniversite izany, ary ireo fikambanan’ny mpianatra misy eo anivon’ity Oniversite Barikadimy ity.
Ny fivorian’ny COPRES natao ny 18 febroary teo no namaritra fa atao manomboka ny 08 mars hatramin’ny 08 avrily ny fifidianana izay ho filohan’ny Oniversite satria efa ho tapitra mandà ireo filoha lany teo aloha. araka ny fandaminana anefa eo anivon’ny Oniversite tsirairay avy dia samy mifidy ny daty anaovana azy izy ireo, ka ny fananganana ny rafitra misahana ny fifidianana isaky ny Oniversite no atao mialoha, manaraka izany ny fametrahana ny filatsahan-kofidiana, ary ny fanaovana ny fampielezan-kevitra.
Efa andraikitra maro no notanany mikasika ity Oniversite Malagasy ity, ka isan’izany ny maha-sojabe ny DEGMIA azy eto Toamasina, ny maha- « maitre de conference », ary ny maha-filohan’ny filan-kevim-pitantanan’ny IST Antananarivo sy any Antsiranana.
Ankoatra ity filazana ny firotsahana ho fidiana nataon’ny Dr Razanakolona Diny ity, dia nanao fanambarana ihany koa ny SECES sampana Toamasina mikasika fitakiana valo nataon’izy ireo. Isan’izany ny fitakiana fandoavana ny ora fanampiny sy ny « vacation » faran’izay haingana. Ny fandoavana ny tambin-karama amin’ny fikarohana sy ny fanadiadiana lalina ho an’ireo mpampianatra misotro ronono. Eo ihany koa ny fitakiana amin’ny fahafahana manao « procuration » amin’ny fifidianana izay atao ato ho ato, izay zo fototry ny mpampianatra sy efa nampiharina tamin’ireo fifidianana teo aloha rehetra.
Malala Didier




