Tsy misy tandroka tokoa ny ratsy ary tsy misoratra eny amin’ny endriky ny tsirairay ny ratsy ataony. Vehivavy iray niaraka tamin’ny namany telolahy tokoa mantsy no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Tana Ville, ny faran’ny herinandro teo. Izy ireto dia voarohirohy ho ao anatin’ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana, ary nampitondra faisana faritra maro teto an-drenivohitra, indrindra fa tany amin’iny Atsimondrano iny.
Basy poleta telo, niaraka tamin’ny bala maromaro, no sarona tany amin’ireto farany, rehefa nisy ny fisavàna nataon’ireo zandary tamin’izy ireo. « PATT » nisy bala 9mm anakifito, « PA Unique », « PA Mausser » nisy bala 7,62mm efatra. Fitaovam-piadiana, izay voalaza fa fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny. Raha ny fampitam-baovao azo dia niainga tamin’ny fisamborana jiolahy iray ny nahazoana azy ireto. Jiolahy izay noahiahiana ho tompo-marika tamin’ireo vaky trano sy fanafihana nisesisesy teny amin’iny kaominina Ambatofotsy iny. Tsy zoviana amin’ireo zandary intsony ny endriny ary tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa efa nifonja teny Antanimora noho ny resaka fakàna an-keriny ingahirainy.
Nanoro ireo namany mpiara-manao ny asa ratsiny taminy moa izy tao anatin’ny fakàna am-bavany azy ary nosamborina teny amin’iny faritra Antaninarenina iny izy ireo, ny herinandro lasa teo. Telo mianadahy izy ireo, izay heverina fa efa samy manana ny anjara asany avokoa ao anatin’izany asan-jiolahy izany. Tany amin’ireto farany ihany koa no nahatratarana ireo basy poleta ireo. Ny alatsinainy teo moa izy ireo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary ireo nadoboka am-ponja vonjimaika ireo avokoa, miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Mbola « mitohy ny hetsika famehezana ny fandriam-pahalemana sy fandraisana andraikitra any amin’iny Atsimondrano iny izay iarahana amin’ny mponina manome vaovao ao anatin’ny fanatanterahana ny Tagnamaron’ny Fandriam-pahalemana », hoy ny fampitam-baovao.
m.L



