Tafakatra ho roa ny namoy ny ainy, vokatry ny fisetrasetran’ny mpamily tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Namoy ny ainy ny harivan’ny alahady teo ihany koa mantsy ilay ramatoa 39 taona, voadona mafy, rehefa nofaohin’ny fiara mpitondra « colis » iray handeha hiakatra aty an-drenivohitra tetsy Manjakandriana, ny andron’ny 8 martsa lasa teo. Olona efatra izy ireo niaraka tamin’io fotoana io, vehivavy roa, ary lehilahy roa, izay hamonjy ny lahasan’izy ireo vao maraina. Tamin’io fotoana io no nisosososo avy any ity fiara « sprinter » ity, izay somary nahazo ny sisin’arabe ary nifaoka azy efatra ireto. Namoy ny ainy vokatr’izay ny vehivavy iray tamin’io fotoana io, naratra mafy kosa izy telo, ary nisy ireo tena voa mafy. Nentina nihazo ny tobim-pahasalamana avy hatrany moa izy ireo ary nomena ny fitsaboana sahaza. Noho ny ratra sy ny dona nahazo azy araka izany dia izao tsy tana izao ihany koa ny ain’ilay renim-pianakaviana iray.
Marihina fa tsy mba nijanona akory teo amin’io loza nataony ilay fiara fa mbola nitsoaka ihany ary nandrava barazin’ny mpitandro filaminana teo Carion. Voasambotra tetsy Ambohimalaza rehefa nifanenjehana tamin’io andro io ihany ary nentina notazomina natao famotorana avy hatrany. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, ny alakamisy lasa teo ihany moa izany mpamily mpisetrasetra izany, rehefa avy natolotra teo anivon’ny Fampanoavana.
m.L



