- Publicité -
mardi, mars 3, 2026
AccueilFaits-DiversHalatra tao amin’ny kianja manara-penitra : Nisy olona roa hafa nosamborina indray

Halatra tao amin’ny kianja manara-penitra : Nisy olona roa hafa nosamborina indray

Tsy mbola nivalona hatreo ! Mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana mahakasika ilay raharaha fingotra (granulés de caoutchouc) aman-taonina maro, nivoaka tao amin’ireo kianja manaram-penitra tao Ambatondrazaka sy Moramanga. Fingotra, izay isan’ny singa tamin’ny fanamboarana ireo kianja ireo. Ny mpitsara mpanao famotorana miaindraikitra izany raharaha izany mihitsy moa no nanome baiko ny amin’ny hitohizan’izany fanadihadiana izany. Fantatra ary nisy olona roa, nosamborina ny faran’ny herinandro teo, tany amin’iny distrikan’i Morondava iny. Olona roa, izay araka ny fanazavana azo avy amin’ny zandary dia karazan’ny mpanera sy mpanelanelana ary mpitady mpividy tamin’izany entana halatra izany. Nampakarina avy hatrany aty an-drenivohitra moa ireto roalahy ireto ary atolotra avy hatrany eo anoloan’ireo mpitsara mpanao famotorana. Tsiahivina fa efa nisy olona telo no nadoboka am-ponja vonjimaika tao anatin’ity raharaha ity, raha arahin’ny Fitsaràna maso kosa ireo olona fito hafa voarohirohy. Ny faramparan’ny volana febroary nitohy ny voalohandohan’ny volana martsa teo no nahavaky ity raharaha ity, rehefa nisy ny fanadiahadiana lalina nataon’ireo zandary avy eo anivon’ny Vondron-tobim-paritra « Imerina Central ». Ireo olona folo ireo no voasaringotra tamin’izany ary dia izao niampy roa izao indray.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici