Ny alatsinainy 14 marsa teo no niantsoan’ny tonia mpampanoana lalàna sy ny filohan’ny fitsarana ireo OPJ na “Office des Polices Judiciaires” teto Toamasina, nahitana ny zandary, ny polisim-pirenena, ny mpiasan’ny sampandraharaha ny hetra sy ny fadintseranana, ary ny misahana ny rano sy ny ala, nanazavany ny paikady ady heloka eo anivon’ny fitsarana manomboka amin’ity taona ity. Tao amin’ny efitrano fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina no nanaovana izany fanazavana izany ny alatsinainy teo.
Nandritra izany no nanazavan’ny tonia mpampanoa lalàna ny fitsarana ambaratonga voalohany, fa ny resaka hosoka izay mazava miteraka olana goavana indrindra fa ny ara-barotra sy ara-tany dia tsy azo ekena mihitsy, eo koa ny resaka ady tany izay lasa miteraka ady heloka amin’ny mpiady, ary ny lafiny ny tsy fandriampahalemana rehetra indrindra ny vaky trano, fanendahana, fandravana olona, ary ny resaka zava-mahadomelina amin’ny endriny rehetra misy amin’izao, na mahery vaika io na ireo efa mahazatra.
Nambaran’ny tonia mpampanoa lalàna ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ihany koa, fa misy ireo heloka tsy azo hanaovana fifandaminana eo amin’ny mpiady mihitsy, fa tsy maintsy miakatra eo anivon’ny fampanoavana na fitsarana, dia ny resaka vono olona sy faty olona, ny resaka fakana an-keriny, ny resaka fihazonana sy fampiasana basy tsy nahazoana alàlana, ary ny fanolanana indrindra raha latsaky ny 15 taona izany, ny fidorohana zava-mahadomelina. Ka nambarany tamin’izany fa ny resaka zava-mahadomelina sy ny basy dia tsy maintsy entina atao porofo eo anivon’ny fitsarana mandritra izany.
Voalaza koa fa tsy afaka manalava 48 ora ny fihazonana olona ato fanadiadiana ny mpitandro filaminana manao famotorana raha tsy ireo raharaha afaka halavaina ihany; na izany anefa dia miankina amin’ny halaviran’ny toerana nanaovana ny fanadiadiana ifotony ny halavan’ny fihazonana ireo mpanao heloka. Raha lavitra ny toerana dia afaka halavaina 24 ora isaky ny 25 km ny fihazonana olona anaovana fanadihadiana eny anivon’ny mpitandro ny filaminana sy ireo OPJ rehetra araka ny lalana manan-kery misy eto amintsika.
Ankoatra izany dia nambaran’ny tonia mpampanoa lalàna ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina hatrany, fa afaka atao eny amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny OPJ rehetra ny fitoriana, na apetraka eny amin’ny fampanoavana ihany koa izany. Amin’ity farany dia anjaran’ny fampanaovana no mandefa azy any amin’ny mpitandro ny filaminana na OPJ afaka manao izany, ary izy ireo indray no mandefa ny valin’ilay fanadihadiana eny amin’ny fampanoavana aorian’ny fahavitan’izany fanadihadiana izany.
Malala Didier




