- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Voatifitra tao anaty kizo Lefaby dahalo raindahiny

Antsohihy : Voatifitra tao anaty kizo Lefaby dahalo raindahiny

Lavon’ny zandary i Lefaby, dahalo raindahiny, ny namany iray naratra, tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo omby very. Ny alahady teo dia nisy fangalarana omby 29 tao Analavory Antsohihy. Dimy ireo dahalo tompon’antoka tamin’izany. Raha vao naheno ny antso vonjy ny zandary ao amin’ny « Poste avancé » Anjiamangirana sy ireo miaramila mipetraka ao Ambodibonara dia nandeha avy hatrany nanampy ireo fokonolona mpanara-dia. Ny andron’io ihany tokony ho tamin’ny 1 ora tolakandro dia voahodidin’ny mpanara-dia ireo dahalo raha niditra tao amin’ny kizon’ny Ankazomisikina izay feno ala mikitroka. Nifanehatra tamin’ny toerana nisy ireo miaramila ireo dahalo ka raikitra ny fifandonana, Maty noho ny tifitra nahazo azy i Lefaby avy ao amin’ny fokontany Antanimora, kaominina ambanivohitra Anahidrano. Anisan’ireo dahalo nampitondra faisana ny mponina ambanivohitra tao amin’ny distrikan’Antsohihy, Analalava ary Boriziny izy amin’ny resaka halatr’omby sy fanafihana teny amin’ny lalam-pirenena sy amin’ny kaominina ambanivohitra. Natolotra ny fokonolona ny razana mba ho halevina taorian’ny fizahana nataon’ny dokotera. Ny iray voatifitra teo amin’ny feny ka azo sambo-belona ary naterina eny ain’ny tobim-pahasalamana. Ireo telolahy naman’izy ireo kosa dia tafaporitsaka. Tafaverina avokoa ireo omby miisa 29 izay naverina tamin’ny tompony avy hatrany taorian’ny fanamarinana. Mitohy ny fikarohana ireo dahalo tafatsoaka fanetriben’ny firenena. « Noho izany, ankasitrahana tanteraka ireo nifanome tanana teny an-kianja ka nahazo izao vokatra izao. Mariky ny fiaraha-mientana sy ny fifampitokisana eo amin’ny fokonolona sy ny Mpitandro filaminana (GN-AM) izay manao ny any tsy ho zavatra andro aman’alina izao vokatra izao. Ampirisihina araka izany ny rehetra mba hifanolo-tanana handresena ireo jiolahy mampahory vahoaka », hoy ny fanazavana.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici