Hatreto aloha dia fifampikasohan’ny herinaratra no tomban’ny teo an-toerana momba ity firehetana ity. Afakomaly antoandro, fiangonana iray ao Andakabe no kilan’ny afo niaraka tamin’ny trano maromaro izay teo akaiky. Tonga ara-potoana ihany ny mpamonjy voina saingy nahazo vahana ny afo noho ny rivotra ka sarotra nofehezina. Tonga teny an-toerana ny tomponandraikitra isan-karazany nanao tombana ary nisy ny fanadihadiana nosokafana momba ity hain-trano maromaro tao Morondava ity.
D.R




