- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahitsy : Jiolahy tratra nifampivarotra basy

Mahitsy : Jiolahy tratra nifampivarotra basy

Basim-borona « calibre 12 » iray no entana hamidy teto. Teo am-panaovana ny fifampivarotana tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray tao Mahitsy, ny faran’ny herinandro, ireo mpividy sy mpivarotra no tra-tehaky ny zandary. Tsy afa-niala intsony.

Voalaza fa anisan’ireo jiolahy mitam-piadiana nampitondra faisana iny kaominina ambanivohitr’i Mahitsy sy ny manodidina iny izy ireo, araka ny loharanom-baovao azo avy eo anivon’ny zandary. Tamin’ity indray mitoraka ity angamba dia nihevitra ny hanatevina ireo fitaovam-piadiana efa eny am-pelatanany izy ireo, kanjo izao nandamoka izao. Ny andron’ny zoma lasa teo tokoa mantsy dia nisy ny vaovao tonga teny am-pototsofin’ireo mpitandro filaminana, avy eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo fa hisy fifampivarotana basy hitranga ao Mahitsy. Rehefa natao ny fikaroham-baovao, hoy izy ireo, dia voamarina tokoa fa tena hisy io zavatra io, ary efa fantatra ny toerana hanaovana izany. Napetraka ny paik’ady ary nohodidinina avy hatrany ilay trano fandraisam-bahiny hifanaovan’ireo olon-dratsy fifampivarotana basy. Teo am-panaovana ny fifanolorana mihitsy izy ireo no tratra, lehilahy iray 43 taona, izay monina eny amin’iny faritra Ampefiloha iny, ary lehilahy iray hafa, 67 taona, izay mipetraka ao Imerina Afovoany, Talamaty. Hita teo ihany koa ny basim-borona calibre 12 izay saika namidy. Nentina avy hatrany nihazo ny birao moa izy roa lahy ireto, hanaovana ny fakàna am-bavany azy ireo, talohan’ny nanolorana azy teny anivon’ny Fampanoavana. Heverina fa hitohy hatrany ny fanadihadiana, hikarohana izay mety ho naman’ireto olon-dratsy ireto, hoy ny hatrany ny vaovao. Tsiahiviana fa vokatra fanindroany indray izao azon’ny zandary tany an-toerana izao. Herinandro vitsy mantsy izay dia tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana sy mpidoroka zava-mahadomelina mahery vaika no efa ravan’ireo zandary. Efa samy miandry ny fotoam-pitsaràna azy any am-ponja avokoa ry zalahy ireto.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici