Hatramin’ny omaly izay niantsoana ny mpitandro ny filaminana dia mbola tsy tonga nitolo-bàtana ilay mpamily nahavanon-doza tetsy amin’ny làlana Tsarasaotra. Etsy andanin’izay anefa dia efa nipetraka koa ny fitorian’ny rain’ireo zaza eny anivon’ny polisy. Efa azo sokajiana ho ady heloka bevava ny raharaha, satria sady nisy ny fahafatesana olona, tsy vitan’izany fa mbola zaza koa, no nisy ny fitsoahana taorian’ny zava-nitranga. Tsiahy kely momba ity raharaha ity : ny alarobia tolakandro teo, raha avy nianatra ny zazalahy roa izay mpirahalahy, dia nofaohin’ny fiara teo amin’ny làlana Tsarasaotra. Tsy nijanona ny fiara fa nanohy ny diany ary zaza roa kosa nitsirara tamin’ny tany. Tsy tàna ny ain’ilay zokiny izay vao sivy taona na dia teo aza ny fialàna nenina rehetra. Ilay zandriny kosa izay vao fito taona, tapaka ny tongony ary hatramin’izao dia mbola manohy fitsaboana. Nanao antso avo aza ny fianakaviany, afak’omaly, ny mba hanampiana azy ireo amin’ny fitadiavana seza misy kodiarana mba hahafahany mihetsiketsika. Hatreto dia tsy hita izay nanjavonan’ilay mpamily sy ny fiarany na dia teo aza ny antso avo nataon’ny havan’ny maty ny mba hanolorany tena ary hiatrehany ny andraikiny, satria nisy aina no nafoy, rà no latsaka. Ny fikarohana azy dia mitohy ary toraka izany koa ny fanadihadiana rehetra izay tena ilana betsaka ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona mety mahafantatra ilay mpamily. Betsaka ny lesona mila tsoahina amin’ny tranga toy itony, mba tsy hiverimberenany. Mitady ho lasa fanaon’ny mpamily nandatsa-drà na nanimba fananan’olona mantsy ny fitsoahana. Mila ampiasaina ny teknolojia mba hahafahana manara-maso ny làlana ka hahitàna ireo mpandika lalàna ary indrindra koa mba hiarovana ny ain’olona. Tsy tokony ho sarotra intsony ny fampiasàna izany amin’izao vanim-potoana izao, saingy ny politika no mila miompana amin’izany. Raha mba misy « camera de surveillance » na dia latsaky ny folo fotsiny aza eny amin’iny làlana Tsarasaotra iny, inoana fa hihena ny lozam-pifamoivoizana ary ho tratra avokoa ny mpitsoaka aorian’ny loza naterany.
D.R




