Nihevitra ny anao vavy fa tsy nisy olona tao amin’ity trano ity ka saika handeha hibata izay entana zakany. Kanjo, zavatra hafa no niseho. Vehivavy iray, tokony ho 25 taona no tra-tehaka teo am-pangalarana fahitalavitra ny zoma lasa teo tetsy Manarintso Isotry. Hatreto dia fantatra hoe tamin’ny fomba ahoana no nahafahany niditra tao amin’izany trano izany, fa izy efa handeha hibata ilay entana no nanaitra ny tompon-trano ary niantsoana pôlisy avy hatrany. Raha ny fampitam-baovao azo diahoe novahany moramora ny varavarana ary niditra nitsaitsaika tao an-trano ramatoa. Efa tena zatra mpana izany zavatra izany angamba fa « efa voahalany daholo ny fil rehetra tamin’ilay écran plat ». Tsy afa-niala intsony moa no sady tsy afa-nitsoaka intsony fa dia noraisim-potsiny teo am-panaovana ny asa ratsiny teo. Voalaza, raha ny angom-baovao hafa toa hoe mbola nisy namany hafa izy, tamin’io fotoana io, saingy tafaporitsaka ity farany, namela azy irery teo. Marihana fa olona mipetraka any amin’iny faritra Ankasina ravehivavy no tonga manao ny asa ratsiny any Manarintsoa Isotry. Nentina avy hatrany natao fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny pôlisy tetsy amin’ny kaomisarian’Isotry moa ity mpangalatra diso hevitra ity.
m.L




