- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN7 : Olona fito maty tamin’ny lozam-pifamoivoizana

RN7 : Olona fito maty tamin’ny lozam-pifamoivoizana

Olona fito indray maty tamin’ny fiara mpitatitra lehibe iray. Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin’ny làlam-pirenena fahafito, omaly alahady maraina. Taksiborosy mampitohy an’i Toliara sy Bekily ary Fotadrevo no nivadika teo Andranohinaly tamin’izany. Maro no naratra saingy tsy mbola voafaritra mazava ny antontanisa. Miisa fito kosa ireo namoy ny ainy teo no ho eo. Raha ny fanazavana azo, vokatry ny fandehanana mafy nahatonga ny loza. Teo ihany koa ny mety harerahana nahazo ny mapmily amin’ity fiara be ity. Niavadika tamin’ny sisin-dalana ny fiara, ary nisy tamin’ireo namoy ny ainy no voatsindry. Tonga teny an-toerana nanao ny asa famonjena ny zandary sy ny fokonolona. Nentina namonjy hopitaly avokoa ireo naratra sy ny namoy ny ainy. Matetika isehoana lozam-pifamoivoizana iny lalam-pirenena fahafito indrindra ireo fiara be manao zany asa izany. « Ny fahanteran’ny fiara, ny lalan-dratsy, ary ny tainim-be matetika mahatonga ny loza. Ireny karazana fiara be ireny ihany anefa no afaka amin’ireo lalan-dratsy rehetra any ambanivohitra any », hoy ny fanazavana azo. Mbola ho ela ny fahavitan-dalana any ambanivohitra any. Mety hanampy trotraka ny asan-dahalo amin’izany.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici