Ny alarobia hariva tokony ho tamin’ny 7 ora tany ho any, no nahitan’ny ray aman-dreniny ireo zanany kely roalahy maty tao an-tranony teny Anosibe Angarangarana. Hatramin’izao dia tombanana fa maty sempotra izy ireo, 6 taona sy 2 taona. Ny vaovao no nahalalana fa, nandeha niantsena ireo mpivady tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. Navelany tao an-trano kosa ireo zanany ireo. Nisy ny niteny fa nilalao izy roalahy. Ao koa anefa ny nilaza fa natory. Rehefa niverina ry zareo lehibe afaka adiny iray, dia ankona tanteraka nahita ireo zanany toa efa tsy misy aina intsony. Niantso vonjy tamin’ny manodidina izy mivady hanampy azy amin’ny famelomana ireo zaza. Nefa indrisy…! tsy nisy azo natao intsony.
Nangonin’I r.s.