Efa nanomboka ny 05 marsa, nandalo ny 12 marsa, ary tonga taty amin’ny sabotsy 19 marsa, ny fanomezam-boninahitra ireo mpanjono nanavotra ny Sekreteram-Panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena (SEG) ny “Général de Corps d’Armée” Serge Gélle, tamin’ny filatsahan’ny angidimby nitondra azy an-dranomasina ny 20 desambra 2021.
Tao anatin’izany ny fanolorana mari-boninahitra, « Chevalier de l’Ordre de Mérite », ireo mpanarato dimy lahy sy ilay tompona trano fandraisam-bahiny nandray ny SEG tao anatin’ny fanavotana azy. Teo koa ny fanolorana lakana vita tao amin’ny orinasa “techmarine” izay mahazaka mpanarato enina natolotra ho an’Atoa Ramaroson (Zambie) sy i Sakira Ersène zanany izay tena nanavotra an’i Jly Serge Gélle. Tao anatin’izay ny fanolorana vola tao anaty valopy ho an’izy mianaka avy hividianana solika ho fampandehanana ilay lakana. Nisy ihany koa ny fanolorana “filets” 10 mahatratra 100m avy, sy “gillets de sauvetage” ho an’ny mpanjono rehetra. Nilaza ny SEG tamin’ny kabary nataony, fa fanjakana mahay mankasitraka – midina ifotony – tia vahoaka ny fanjakana misy amin’izao. Nomarihany hatrany fa ireo manamboninahitra kolonely roa maty niaraka dobo taminy no tena mahery fon’ny firenena; ary nambarany koa fa izy no mpihay an’ilay sous-lieutnant niara-avotra taminy.
Ankilan’izany dia nisy koa ny fanaterana fehezam-bonikazo tao fari-dranomasina ao amin’ny tananan’Ambatomalama kaominina Mahambo nilatsahan’ilay angidimby, saingy nampitaraina ireo tangalamena tao an-tanana ny zava-nitranga. Nilaza izy ireo fa tsy mba nahazo fanampiana tamin’ny fanjakana hatramin’izao, sy mba nanaovana fety ihany koa, nefa izy ireo no niharitra ny mafy tamin’ny fikarohana ireo dobo an-dranomasina tamin’izany, fa ny tao Mahambo hatrany no nahazo ireo fanampiana nomena. Vokatra izany dia tsy mba vahoaka nihatrika ny lanonana natao tao amin’ny kaominina Mahambo ireo vahoaka tao amin’ity Tanana Ambatomalama ity noho ny tsy fahafalian’izy ireo.
Ankoatra izany dia nisy koa ny fitokanana zava-bita tao Fenerivo atsinanana, ka isan’izany ny fitokanana ny kianja manaram-penitra tao Sahavola izay nisian’ny lalao baolina kitra nihaonan’ny ekipan’ny Fortior de la cote Est sy ny ekipan’Analanjirofo, ny Biraon’ny kaomisarian’ny polisy, ny lalana 2.000m vita ny faritra Analanjirofo mampitohy an’Ambatonigara sy Ampasimbe Manatsatrana, ny tetezana SOCOFEN, ary ny fijerena ny fahavitan’ny 90% ny Oniversite tany an-toerana. Niatrika izao lanonana natao tao Mahambo ity ny filoham-pirenena sy ny praiministra niaraka, teo koa ny minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny minisitry ny filaminana anatiny, ary ireo minisitra samy hafa.
Malala Didier




