- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSoavinandriana : Vehivavy mpiantsena voatafika sy voaendaka

Soavinandriana : Vehivavy mpiantsena voatafika sy voaendaka

Na aiza na aiza amin’izao dia toa mandry tsy lavo loha avokoa ny rehetra. Tany an-tampon-tanan’i Soavinandriana Itasy tao, vehivavy iray mpiantsena indray no lasibatry ny jiolahy, ny alahady hariva lasa teo. Lasa tamin’izany ny vola valo hetsy ariary.

« Ny iray nanambana antsy, ny iray kosa nanendaka izay zavatra rehetra teny amin’ity vehivavy ity », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenana. Tokony ho tamin’ny dimy ora hariva teo, tao an-tampon-tanana. Handeha hiantsena ity vehivavy ity no efa narahan’ireto roa lahy. Nosakanany sy norahonan’izy ireo avy hatrany raha vao tojo toerana somary nangingina. Raha ny fitantaran’ny mponina avy any dia tranga tsy dia mpiseho loatra ny ohatr’izany. Mety misy hoy izy ireo ny trangan’ny tsy fandriampahalemana, saingy any ambanivohitra. Saingy tamin’ity indray mitoraka ity no sahy nanafika olona tamin’ny andro azo lazaina fa mazava ireo mpanao ratsy. Raha ny hevitr’ireo mponina dia mety ankevitry ny efa fantampatatr’ireto roalahy ireto ny fandaharam-potoan’ity ramatoa ity, ny toerana alehany sy ny vola any aminy.

Tamin’io fotoana io tokoa mantsy, vao azon’ireo olon-dratsy ny vola dia lasa nitsoaka izy ireo. Tsy lasa lavitra akory anefa dia efa nifanena tamin’ireo pôlisy, izay naheno ny antso vonjin’ilay ramatoa voatafika. Raikitra teo ny fifanenjehana ary tsy ela dia tra-tehaka. Teny an-dalam-pandosirana io moa dia narian’izy ireo ny fitaovam-piadiana teny aminy. Tamin’ny fisavàna azy ireo araka izany dia tsy nahitàna afa-tsy ilay vola nalain’izy ireo tany amin’ity ramatoa ity no tany. « Naverina tamin’ilay tompony ilay vola, izy roa lahy noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy nanaovana fanadihadina » hoy ny vaovao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici