- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndramasina : Vehivavy naolana avy eo novonoina

Andramasina : Vehivavy naolana avy eo novonoina

Tranga roa mahakasika fanolanana no nitranga tany amin’iny distrikan’Andramasina iny ny herinandro nivalona teo. Ny iray nitranga tao Andramasina ary ny iray nitranga tao Antovontany. Ity tranga farany ity dia niafara tamin’ny vono olona mihitsy, satria tsy vitan’ny efa nampiharana ny filan-dratsy ilay vehivavy 47 taona fa mbola novonoina tamin’ny fomba feno habibiana hatrany.

 

Hita tsy lavitry ny tanana moa ity ramatoa ity, ary taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo dia io hita fa niharan’ny herisetra ara-nofo io. Ankoatr’izay, araka ny fampitam-baovao azo, nitarika ny fahafatesany ny ratra teo amin’ny lohany, vokatry ny kapa famaky nataon’izay nahavanon-doza taminy. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny zandary ary nanao ny famotorana rehetra, tsy namela raha tsy voasambotra izay nahavanon-doza. Araka izany lehilahy iray isan’ireo voarohirohy ho ati-doha tao ambadik’izao fanolanana narahana vono olona izao no efa tra-tehaka.

 

Fa ankoatr’ireto tranga tany Andramasina ireto dia nahitàna toa izany ihany koa tany Manjakandriana, raha ao anatin’ny distrika hiadidian’ity vondro-tobim-paritry ny zandary « IC » ity ary tao anatin’ny 20 andro, izany hoe ny voalohan’ny volana teo noho mankaty. Hatreto, raha ny tatitra voaray, dia efa olona dimy no voarohirohy sy voasambotra ary nadoboka am-ponja vokatr’izay. Natao ho ady manokana eo anivon’ireo tobim-paritra sy zana-tobim-paritry ny zandary eo ambany fibaikoan’ny vondron-tobim-paritra « IC » moa raha ny fantatra ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy (VBG, « violence basée sur le genre »). Hentitra tanteraka ny kaomadin’izany vondron-tobim-paritra izany fa tsy hilefitra mihitsy amin’izany. Maro arak’izany ireo paik’ady nametraka ary ao anatin’izany ny fanentanana isan-karazany hatreny ifotony, hifandrimbonan’ireo tompon’andraikitra isan-tokony avy, hahasahian’ireo niharam-boina mitoroka eny anivon’ireo mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici