Tra-tehaka niaraka tamin’ireo « kilalaony » ingahirainy tamin’ny fotoana nisamboran’ny pôlisy azy sy nisavàna ny tranony, tao Ambalameloka, fokontany Tsimahajao, distrika Marovoay ny alatsinainy lasa teo. Nisy fotoana tokoa mantsy niparitaka tamin’ny sekoly iray tao an-toerana ity aretina ambalavelona ity. Saika ankizivavy avokoa no nataony lasibatra sy nitondra faisana tamin’izany. Voatery nandray sy nandraisana fepetra mihitsy ilay sekoly, hany ka tonga hatrany amin’ny fitoriana napetraka teny anivon’ny pôlisy. Raha ny marina mantsy dia aretina voajanahary rehetra toy ny aretina fahita ity ambalavelona ity fa « zavatra nataon’olona ». Lehilahy iray teo an-toerana ihany no fantatra sy noahiahiana ho tompon’antoka tamin’izany, raha ny vaovao azo. Nisy ary araka izany ny fitairanana napetraky ny tompon’andraikitry ny sekoly sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra voan’io aretina teny anivon’ny pôlisy, mahakasika ilay rangahy. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny pôlisy ary nanao ny fikarohana ity olona voalaza ho « mpanaparitaka ambalavelona » ity. Tao amin’io trano, tao amin’io toerana voalaza etsy ambony io no nisamboran’ny pôlisy azy. Ary mbola nahitàna tapa-kazo sy karazan-javatra maro, toy ny tandrok’omby sy ny tavoahangy kely isan-karazany, izay sokajiana ao anatin’ny hoe « ody gasy » moa tao an-tranon’ity lehilahy. Taorian’ny nisamborana azy dia nentina avy hatrany natao andrimaso tany amin’ny biraon’ny pôlisy ho amin’ny famotorana moa ingahy « dadarabe », ary hatolotra ny Fampanoavana, aorian’izay famotorana izay.
Marihana tokoa fa voararàn’ny lalàna velona eto amintsika ny resaka famosaviana sy fitanana ody izay azo sokajiana ao anatin’izany ny filalaona « ody gasy », araka ny voarakitra ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana andalana faha-473.
m.L




