- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFamonoana olona roa : Hiakatra fampanoavana anio ny raharaha

Famonoana olona roa : Hiakatra fampanoavana anio ny raharaha

Raha tsy misy ny fiovàna amin’ny ora farany, satria azo halavaina hatrany amin’ny 15 andro ny fitazomana vonjimaika ny mpanao famotorana heloka bevava raha ilaina izany, dia anio no anolorana eo anoloan’ny fampanoavana ilay lehilahy nahavanon-doza tetsy Ambohimanambola. Raha tsiahivina dia novonoin’ilay lehilahy ny mpivady ary nafeniny anaty haram-bato. Dimy andro taty aoriana vao hita ny razana izay efa nanomboka simba. Mipetraka atsy amin’ny nosy La Réunion izy mivady ary nody kely teto Madagasikara mba hanatrika raharaham-pitsaràna. Nisy volabe tokony niandraiketan’ilay tovolahy kanefa nolaniany no heverina ho tena anton’ilay famonoana. Rehefa tonga ireo mpivady dia novonoiny ho faty, satria sarona ny halatra nataony. Raha ny re dia mbola misy namany miisa efatra nokarohina momba ity raharaha ity rehefa noraisina ho mpiray tsikombakomba tamin’ny fanatontosàna ilay heloka bevava. Misy tena mivadika biby ny olona sasany raha vao resa-bola.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici