Efa mampiteny ny moana ny fiparitahan’ny « héroine », zava-mahadomelina mahery vaika avy any ivelany, eto Toamasina. Nisy mihitsy ny hetsika efa nataon’ireo polisim-pirenena nentina namongorana ny zava-mahadomelina mahery vaika, satria efa miandahy miambavy ny fidorohana azy ity tato ho ato izay. Mbola mitohy izany hetsika ataon’ny polisim-pirenena izany, ka misy hatrany ny fanadihadiana natao amin’izay atidoha manao ity trafika zava-mahadomelina mahery vaika « héroine » ity.
Raha ny fanazavan’ny kaomisera misahana ny angom-baovao eo anivon’ny sampan-draharahan’ny polisy, dia nisy ny fanaraha-maso natao tamin’ity mpiasan’ny fadintseranana iray ity, Atoa Zarasaonina Thomas, izay « agent d’encadrement des douanes Brigade spéciale ». Naka taratasy fahazoan-dalana tamin’ny fitsarana ny polisy ka nosavaina ny tranon’ity mpiasan’ny ladoany malagasy ity. Tra-tehaka tao an-tokantranony tao Andranomadio Parcelle 11/33 ny « héroine » milanja 13g efa vita anaty fonosana, amidy 150.000 ariary ka hatramin’ny 250.000 ariary ny iray grama amin’izany.
Taorian’ny fanolorana azy teo anivon’ny fampanaovana ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, dia nampidirina vonjy maika tao Ambalatavoahangy ity mpiasan’ny fadintseranana manao trafika « héroine » ity. Isan’ny politikam-pitasarana ny hoe tsy asiana indra fo ny fanaovana trafika, fidorohana, ity zava-mahadomelina ity ho an’ny fitsarana eto Toamasina, araka ny nambaran’ny tonia mpampanoa.
Ankoatra izany dia nambaran’ny talen’ny filaminana anatiny Atsinanana, Jly Rakototiana Laubel Valisoa, koa fa tsy maintsy fongorina hatramin’ny fakany sy hatramin’ny farany ny mikasika ireo zava-mahadomelina ireto dieny mbola tsy tena olana ara-tsosialy ny fisiany eto, noho ireo mpidoroka azy mbola vitsy ihany hatreto. Efa nahazo baiko mikasika izany avokoa ireo kaomisaria misy eto anivon’ny faritra Atsinanana.
Malala Didier




