- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFamonoana zazakely, natao sorona : Voasambotra ny mpimasin’ireo tompon’antoka

Famonoana zazakely, natao sorona : Voasambotra ny mpimasin’ireo tompon’antoka

Nitrangan’ny vono olona mahatsiravina tany amin’iny distrikan’Ambatondrazaka iny, iray volana mahery kely lasa izay. Zazavavikely  vao 10 taona monja no hita faty, voatapa-doha tao amin’ny toerana antsoina hoe Anosivola, Manakambahiny Atsinanana. Voalaza tamin’izay fa nataon’ireo olon-dratsy sorona izy io ary irony mpilalao ody gasy irony no naniraka ireo nahavanon-doza.

Ny talata lasa teo no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny vondrom-tobim-pileovana Alaotra Mangoro ny lehilahy iray, voalaza fa mpimasin’ireo tompon’antoka tamin’ity vono olona ity. Fantatra amin’ny anarana hoe R. P., lehilahy 55 taona monina ao Ambatosoratra, distrikan’Ambatondrazaka. Taorian’ny nanolorana ireo olona voarohirohy tamin’ity raharaha ity mantsy dia mbola nitohy hatrany amin’ny fikaroham-baovao sy ny fanadihadiana nataon’ireo zandary, hitadiavana ilay mpimasy naniraka ireo olona hamono ilay zaza. Tra-tehaka tao Mangarivotra, fokontany Ambodimanga, kaominina Ambatondrazaka, ny lehilahy taorian’ny vela-pandrika natao. Tamin’ny fisamborana azy aza, hoy ireo fampitam-baovao azo, dia mbola nahitàna korontan-javatra maromaro, toy ny tapa-kazo isan-karazany, moara, tavoahangy kely misy ranon-javatra ary vakana marobe tany aminy. Nentina avy hatrany nihazo ny birao moa ity farany ary notazomina natao andrimaso ho amin’ny famotorana.

Marihina fa niteraka savorovoro tany amin’ity tanàna kely antsoina hoe Anosivola ity mihitsy ity resaka famonoana zazakely ity ary voatery nidiran’ny OMC an-tsehatra nandamina ny raharaha. Notakian’ireo fokonolona hatao fitsaram-bahoaka mantsy ireo olona voasambotra voarohirohy tamin’ilay famonoana. Fantatr’izy ireo tsara mantsy fa nataon’ireo tsy valahara sorona ilay zaza ka saika tsy nanaiky hatramin’ny farany izy ireo. Sorona izay, nilain’ireo nahavanon-doza, ho amin’ny fitrandrahana vato sarobidy sy merkiora tany an-toerana. Nilamina ihany ny toe-draharaha rehefa nisy ny fifampiresahana ary afaka nanohy ny famotorana ireo zandary. Hatreto raha ny fampitam-baovao azo dia efa nahatratra 12 ny isan’ireo olona voasambotra voasaringotra tao anatin’izany raharaha izany. Ny folo tamin’izy ireo no efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana. Nadoboka am-ponja vonjimaika moa ny telo, ary nomena fahafahana vonjimaika kosa ny fito ambiny. Anio kosa no fantatra fa hanolorana ireo olona roa ambiny, ilay mpimasy ao anatin’izany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici