- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIhosy : Taolam-paty iray gony saron’ny polisy

Ihosy : Taolam-paty iray gony saron’ny polisy

Karazan-taolana, taolam-paty iray gony no tra-tehaky ny pôlisy tany amin’ity lehilahy iray tany amin’ny distrikan’IHosy, ny alakamisy lasa teo. Raha ny fantatra dia toa  hoe mitady « patron » hividy izany ny lehilahy, antony nitondrany izany entana izany ary tonga teny am-poto-tsofin’ny pôlisy.

Asa na dia inona loatra no tao an-tsain’ity lehilahy iray 44 taona, monina ao amin’ny fokontany Maharohazo, kaominina Analaliry ity. Nalefany mantsy ny feo fa manana taolam-paty maro ingahirainy ary mitady mpividy. Saingy tsy mpividy no tonga tao aminy fa ny pôlisy ! Ireto farany tokoa mantsy, rehefa naheno izany dia nanao ny fanadihadiana rehetra ary niezaka nikaroka izany olona mitady mpividy taolam-paty izany. Rehefa nataon’izy ireo ny fanangonam-baovao rehetra dia fantatra fa mipetraka any amin’io toerana voalaza etsy ambony io ilay olona. Nidinana tany an-toerana ary tra-tehaka tao an-tranony. Mbola io nahatratrarana karazan-taolana marobe io moa tao amin’izany trano fonenany izany.

Misoko mangina tokoa na dia tsy re laza firy intsony aza ity resaka halatra taolam-paty ity. Taolam-paty izay tsy dia fantatra loatra aloha hatreto hoe atao inona na atao inona. Saingy matoa misy manao azy sy mangalatra izany dia tsy maintsy misy ireo mpandray entana halatra ary mety sahy mividy izany lafo tokoa. Ny mahagaga ihany koa, hatreto dia tsy mbola nahenoana mpividy taolam-paty voasambotra izany. Ireo mpamaky fasana, mpangalatra taolam-paty ary ny mpanera izany foana no tra-tehaka.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici