- Publicité -
mardi, mars 3, 2026
AccueilFaits-DiversAnkadimbahoaka : Mpanendaka tratra, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ankadimbahoaka : Mpanendaka tratra, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ramatoa iray no lasibatr’ity jiolahy ity ny alahady 27 martsa tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany maraina teo ho eo teny Ankadimbahoaka. Mandeha tsara tsy manam-po na inona na inona ity Ramatoa ity no nipoitra tampoka ity olon-dratsy ka saika hanao sinto-mahery taminy teny amin’iny faritra manakaiky ny Filatex iny. Tsy tanterany anefa izany fikasan-dratsiny izany saria afaka niantso vonjy haingana ity vehivavy ity. Nirifatra nitsoaka ilay jiolahy ka raikitra ny fifanejehana teo aminy sy ireo fokonolona izay vory haingana raha vao nahare ny antso vonjy. Tsy lasa lavitra ilay ratsy dia voasambotr’ireo fokonolona izay efa nentanin-katezerana ny ankamaroany ka nanomboka nidaroka azy. Soa fa tonga ara-potoana ny mpiandro ny filaminana ka naka ity olona ity avy hatrany. Ity farany izay efa naratra noho ny daroka nihatra taminy. Taorian’izay dia noentina natao fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny polisy ny lehilahy. Marihina fa tena mampitaraina ireo vahoaka ny fanedahana sy ny sinto-mahery matetika mitranga eny amin’iny faritra Filatex iny. Manoloana izany dia tsy mikely soroka ireo polisy eo anivon’ity « commissariat central » Atsimondrano eny Tanjombato mba hiadiana amin’izany tsy fahandriam-pahalemana izany. Entanina araka izany ny rehetra manam-baovao na mahita trangan-javatra hafahafa sy mampiahiahy hanatona na hampilaza avy hatrany ny mpitandro ny filaminana akaiky azy indrindra.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici