- Publicité -
dimanche, septembre 6, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversNamontana : Ramatoa voaendaka sy voatifitra teny ambony môtô

Namontana : Ramatoa voaendaka sy voatifitra teny ambony môtô

Nisahotaka harivariva ny mponina teny amin’iny faritra Namontana iny, omaly hariva  tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany tany ho any. Nirefotra ny basy. Vehivavy iray tokony ho 50 taona mpitondra môtô iray no lasibatra. Naratra mafy ary nentina nihazo avy hatrany ny hôpitaly tetsy Ampefiloha. Araka ny vaovao farany dia tsy tana ny ain’ity renim-pianakaviana ity, izay voan’ny bala teo ambany heliny sy ny takibany. Araka ny angom-baovao azo dia nitrangan’ny fanendahana mpitondra môtô indray, tsy lavitra akory tobim-pahasalamana iray tetsy Namontana. Vehivavy io nitondra môtô marika BWS ary efa narahin’ireto olon-dratsy. Teo amin’ny telo izy ireo ary nitondra môtô ihany koa, raha ny nambaran’ireo nanatri-maso. Samy teny am-pandehanana, dia noezahin’ireto olon-dratsy nosintomina ny pôketr’ilay ramatoa. Mety ho nisy fanoherana ihany tao ka tsy nilasalasa nampiasa ny fitaovam-piadiana, basy poleta teny an-tanany ireto mpanendaka. Nanakoako ny feom-basy. Nidaraboka tao anaty rà mandriaka ilay ramatoa. Lasan’izy ireo ihany ilay pôketra, ary ilay môtô, raha ny filazan’ireo nahita. Marihina fa tao anatin’ny minitra vitsy monja izany zava-nitranga izany ary toy ny tsy teo ny fitsoahan’izy ireo raha vao vitany ny zavatra nataony. Ilay ramatoa, voatifitra sy naratra mafy kosa nony avy eo no nifamonjen’ny olona ary io nentina avy hatrany nihazo ny toeram-pitsaboana ion, saingy tsy tana ny ainy. Voalazan’ny polisy fa tsy lasa lavitra ilay moto nentin’ny jiolahy io dia nianjera. Tafatsoaka nandeha an-tongotra ilay olon-dratsy.  Ankevitry ny efa fantapantatr’ireo olon-dratsy ny zavatra nentin’ity ramatoa ity satria, raha ny vaovao azo hatrany dia toa hoe nisy vola maromaro tao anatin’ilay pôketra lasan’izy ireo. Efa eny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana moa ny raharaha ary efa mandeha ny fanadihadiana rehetra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici