Betsaka ny làlana atahorana tanteraka ankehitriny ny fandehanana aminy eto an-drenivohitra. Eo ihany ny fahapotehan’ny làlana, fa ny tena loza manambana ho an’ny mpampiasa fiara sy kodiaran-droa dia ny fisian’ny lavaka tsy ampoizina eo amin’ny làlana isan’andro mihitsy. Izany dia noho ny fisian’ny mpangalatra sarona « dalle », na indraindray koa ireny sarona « bouche d’incendie » ireny. Vy no alaina amin’izany, mazava ho azy, ary tena vy mavesatra tokoa izy ireny, hany ka lasa manintona ny olon-dratsy. Faran’izay tsotra rahateo ny mivarotra azy noho ny fisian’ny mpividy vy amin’ny kilao saika isaky ny fokontany. Ireo olona tsy mpandalo matetika eo amin’ny làlana niharan’izany no matetika voa mafy. Ny fiara mba azo bataina ihany fa ny mpampiasa kodiaran-droa kosa dia miady aman’aina hatrany, satria mety ho latsaka ao ary mianjera. Hatreto dia jerem-potsiny izany ary ny olona no mba manisy marika kely mba hialàna amin’ny loza. Toa ny etsy Ambatonakanga izay nasiana ravindravina kely eo amboniny mba hanaitra ny mason’ny mpampiasa làlana ka hahafahany miala ilay lavaka. Toraka izany koa ny etsy Ambatoroka izay mba nisy tsara sitra-po nanetsina tamin’ny kodiarana, amin’izay farafaharatsiny mba tsy hanimba zavatra be loatra ary koa mba tsy handratra olona. Izany anefa dia làlan’ny tompon’andraiki-panjakana ambony isan’andro, satria iny ihany no mihazo ny lapan’i Mahazoarivo raha avy aty ampovoan-tanàn’Antananarivo. Tsiahivina fa namono olona ny fisian’ny lavaka « dalle » tsy nisarona nandritra ireny ora-mikija tao anatin’ny andro ratsy ireny. Mila fepetra maika satria loza manambana koa ireny ho an’ny mpampiasa làlana sy ny mpandeha an-tongotra.
D.R




