- Publicité -
dimanche, septembre 6, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFikapana hazo tsy ara-dalàna sy taratasim-panjakana hosoka : Fiarabe iray tra-tehaka, olana efatra...

Fikapana hazo tsy ara-dalàna sy taratasim-panjakana hosoka : Fiarabe iray tra-tehaka, olana efatra nosamborin’ny zandary

Tsy misy mandeha ho azy intsony ! Tetsy amin’ny « barrage de contrôle routier », tetsy Ambatolaona, amn’iny lalam-pirenena faharoa iny, fiarabe iray no tra-tehak’ireo zandary mpanao fisavàna nitondra hazo tsy ara-dalàna, ny alarobia teo. Ankoatra izay, mbola taratasy hosoka ihany koa no nentin’ireo mpitondra azy, namitahana ireo zandary. Tsy azo tamin’izany anefa ireto farany …

Tsy misy fikapàna hazo  vaovao na fitrandrahana ala amin’ny ankapobeny azo atao intsony, ny famoahana ireo ambin-kazo efa voakapa tany alohan’ny taona 2019 sisa omena alalàna, araka ny didy navoakan’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Nanomboka ny taona 2021 teo dia fahazoan-dalàna ampiasaina indray mandeha monja no omena ireo mpitrandraka ahazoany mamoaka izany ambin-kazo izany ary misy famantarana manokana avy amin’ny Ministera. Tsy izay anefa no nasehoan’ireo olona tratra nitondra ireto hazo ireto fa taratasy hafa mihitsy, izay efa tsy nampiasain’ny teo anivon’ny sampan-draharahan’ny fitrandrahana ala intsony. Tsikaritra teo avy hatrany fa misy zavatra tsy mazava tao.

Ny alarobia lasa teo tokoa mantsy, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva  tany ho any, dia fiarabe (semi-remorque) iray no voasava teo amin’ny sakana nataon’ny zandary teo Ambatolaona, RN2. Nitondra hazo efa voatsofa manodidina ny 900 isa any ho any, ary milanja teo amin’ny 32 taonina teo ity fiara ity. Satria efa nisy ireo didy navoakan’ny ministera io tamin’ny 29 janoary 2019, dia nitaky avy hatrany ny taratasy makasika ireto hazo ireto ireo zandary. Hentitra tokoa mantsy ny avy eo anivon’ny fibaikoana ny vondron-tobim-paritra « Imerina Central », mahakasika ireo trafika isan-karazany eny amin’ny lalam-pirenena faharoa iny, ka tsy maintsy atao ny fisavàna hatramin’ny farany kely indrindra. Vao nandray ireo taratasy naseho azy anefa ireo zandary, izay efa nahatsikaritra zavatra nampiahiahy ihany dia niantso avy hatrany ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana Atsinanana, toerana voalaza fa niavian’ireto hazo ireto. Nanambara moa ireto fa tsy mahalala velively ny mahakasika izany. Fantatra teo avy hatrany araka izany fa tsy ara-dalàna ireo hazo ireo ary taratasy hosoka no nentin’ireo olona nitondra namitahana ireo zandary. Teo no ho eo ihany dia nosamborina ny mpamily sy olona roa hafa « convoyeurs » nitondra ireo hazo tsy ara-dalàna ireo. Nogiazana ireto hazo voatsofa ireto ary nampidirina am-balam-pamonjàna ilay fiarabe. Lehilahy iray, izay voatondro ho tompon’ireo hazo kosa no nosamborina taty an-drenivohitra rehefa nanaovana vela-pandrika. Ity farany izay efa nandeha taxi-brousse mialoha.

Notanana natao andrimaso avy hatrany tany amin’ny biraon’ny zandary ho amin’ny famotorana moa ireto olona voarohirohy ireto. Fantatra kosa fa mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central sy ny mpanao fanadihadiana eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Tontolona iainana eto Analamanga, ahafantarana izay loharano niavian’ireto taratasim-panjakana hosoka nentina namoahana ireto hazo ireto. Heverina, hoy ny fampitam-baovao, fa tsy maintsy misy olona  hafa mpiray tsikombakomba amin’ireto mpanao trafika ireto any ho any.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici