Mba hanatanterahana antsakany sy andavany ny fanavaozan-drafitra eo anivon’ny Tafika Malagasy dia ilaina ny fanamafisana sy fampakarana ny fahaiza-manaon’ireo miaramila mba hitovy lenta amin’ny fanovana napetraka. Mba hahatratrarana izany tanjona izany dia nanao famelabelaran-kevitra ho an’ireo kaomandy ny borigady miaramila 9 misandrahaka manerana ny Nosy teny amin’ny « Ecole d’Etat-Major » eny Fiadanana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotonirina Richard, omaly zoma 1 Aprily. Fihaonana izay niarahana tamin’ny Lehiben’ny Etat-Major ny tafika, ny jeneraly Sahivelo Monja Delphin. Ny tanjon’ity famelabelaran-kevitra ity ny ahatontosan’izy ireo tompon’andraikitra ambony ireo antsakany sy andavany ny andraikiny amin’ny fitantanana ireo toby miaramila mba ahafahana miaro ny vahoaka sy ny fananany. Marihana fa efa nisy ny fampiofanana nandritra ny roa herinandro natrehan’izy ireo teny an-toerana nandritra ny nialohan’izao famelabelaran-kevitra izao. Fihofanana izay tsy maintsy nomena azy ireo noho izy ireo voatendry hitondra sy hibaiko ireo miaramila mandeha mamita iraka eny Ikianja. Tafiditra ao anatin’ilay atao hoe « chaine organique » ny kaomandin’ ny borigady ary manana andraikitra hanofana sy hampanao fanazarantena ny olom-peheziny. Nianatra mahakasika ny lafiny fitantanana ny olombelona, ny kojakoja, ary ny fomba fiaraha-miasa amin’ireo miaramila na tompon’andraikim-panjakana any amin’ny faritra na eto an-toerana izy ireo nandritra izany. Nojerena akaiky ny mahakasika ny fanomanana na ny « préparation opérationnelle » ary takina amin’izy ireo ihany koa ny famoahana drafitra sy toro-lalana ahafahana mampita izany amin’ireo miaramila eo ambany fifehezany mialoha ny andefasana azy ireo eny Ikanja.
T.M.




