Efa vita ny ady varotra. Nialohan’ny hiakarana ny kodiaran-droa dia nangataka ilay mpanamory ny mba hanomezana azy ny poaketra mba hatao ao ambanin’ny seza. Tsy nisy fanahiana ilay ramatoa mpanjifa ary nanome ankitsim-po izany. Nampidirina tsara tao anaty fitoerany tokoa ny entana. Ny môtô amin’io efa velona. Tampoka teo, nirifitra ary tsy nijanona. Teo vao nangasiasy sy tonga saina ilay ramatoa fa sendran’ny olon-dratsy. Teo Ambohijatovo no nitrangan’izany, amin’ny andro antoandro ary hitan’ny olona maro. Tsy nisy azo natao satria vetivety dia nanjavona ilay môtô sy ny olon-dratsy izay nanamory azy. Endrika iray ny toa itony fa tafiditry ny mpanendaka koa ao anatin’ity tontolon’ny taxi-môtô izay mbola ifanjevoana eo anivon’ny kaominina sy ny mpanolon-tsaina ny momba ny fampanarahan-dalàna na tsia azy ireny eo amin’ny tontolon’ny fitaterana.
D.R




