- Publicité -
dimanche, septembre 6, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Telo taona tsisy rano, tezitra ny olona

Ambohimangakely : Telo taona tsisy rano, tezitra ny olona

Eny amin’izay misy lava-drano sisa no mividy rano, izay no vahaolana farany ho an’ny mponina ao Ankadiefajoro-Avaratra, fokontany eo anivon’ny kaominina Ambohimangakely. Tafakatra 1.500 ariary ny iray siny ary mazava ho azy fa mitombo koa ny vesatra ara-bola ho an’ireo olona nanapa-kevitra ny naneho ny alahelony omaly teny an-toerana ka nilanja sora-baventy. « Nisy ihany teo aloha ny fandalovan’ny siniben-drano mandehandeha, nozaraina tamin’ny olona. Efa ho herintaona anefa izao no tsy hita intsony izany ary tsy mba nisy fanazavana ny antony. Ny hany vahaolana dia mantsaka eny amin’ny lava-drano ary izany dia vidiana 1.000 ariary ny siny ary 1.500 ariary kosa raha maniraka olona mibata. Efa nisy ihany ny fitarainana napetraka tamin’ny Jirama saingy ranom-potaka no azo. Ny tompon’andraikitra hafa nampahafantarina ny olana indray dia mifanilika andraikitra fotsiny », hoy ny solontenan’ireo olona. Tezitra noho izany ny vahoaka ka nilaza fa mbola hanamafy ny hetsika amin’ny asabotsy izao ka mety hiakatra eny amin’ny arabe hanao fitokonana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici