Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, faritra Analanjirofo, dia tena hanjakan’ny kolikoly avo lenta sy fanamparam-pahefana tanteraka ny fanomezana tolotrasa ho an’ireo mpandraharaha, hany ka vaky bantsilana ny raharaha amin’izao izay nitarika fisamborana mpandraharaha iray izay nampidirina fonjakelin’ny mpitandro ny filaminana. Nihitatra anefa ny raharaha taty aoriana ka nivoaka mihintsy ny anaran’ny governora ny faritra Analanjirofo tamin’izay.
Araka ny vaovao voaray hatrany dia resaka tolotrasa hanamboarana ny lalana atao rarivato mirefy 900m tao andrenivohitry kaominin’i Mananara Avaratra, ka isany nanao antotan-taratasy mikasika ny asa ny orinasa tantanan’Atoa Sylvain. Nitentina 420 tapitrisa ariary ny asa ho atao ka neken’ny governora sy ny talen’ny kabinetra ary ny PRMP izany noho ity orinasa ity nanaiky ny handoa 30% ny vola amin’ireo olona ireo. Ny volana janoary 2021 no natomboka ny asa fanamboarana rehetra taorian’ny fivoahan’ny vola ampahany voalohany. Raha natomboka ny asa ka tsy nahavita 40m akory izy ireo tamin’izany dia efa niantso an’Atoa Sylvain isan’andro ingahy governora ny faritra nitaky ny 30% ny anjaran’izy ireo nifanarahana. Ny 25 avrily 2021 dia noraisin’ny governora tao amin’ny biraony ingahy Sylvain ary nanatitra ny ampahany voalohany tamin’ilay vola mitentina 10 tapitrisa ariary. Ny 06 oktobra kosa ny ampahany faharoa nitentina 25 tapitrisa ariary. Ankilan’io dia nangataka 03 tapitrisa avy taminy koa ny talen’ny kabinetra sy ny PRMP.
Vokatra izay rehetra izay dia tsy vita ny asa fanamboaran-dalana tao Mananara avaratra, ka ny 09 marsa 2022 nosamborin’ny zandary avy ao Fenerivo atsinanana tao Mananara avaratra ity mpandraharaha ity, araka ny fitorian’ny governora teo anivon’ny fampanoavan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Fenerivo atsinanana. Namoaka “ST laharana 100-RP/FEN.22/EO/PR ny 25 janoary 2022 ny tonia mpampanoa lalana” ho fanatontosana ity fitorian’ny governora ity. Tao amin’ny zandary Fenerivo Atsinanana no nanaovana ny fakana am-bavany an’ingahy Sylvain araka ny famontorana 09 marsa 2022. Taorian’ny famotorana ny zandary dia niverina teny amin’ny fitsarana ny raharaha, ka nilazan’ny tonia mpampanoa lalana fa tsy fahefan’izy ireo intsony izao endrika kolikoly mahavoasaringotra olona ambony izao, ka tsy maintsy alefa eny amin’ny PAC. Voa nahare izany ny mpitory dia avy hatrany dia nanaisotra ny fitoriany, ary nanao fifanarahana tamin’ilay mpandraharaha amin’ny fanohizana ny asa lalana tao Mananara Avaratra.
Ankoatra izany dia lasa olana goavana eo amin’ny samy tompon’andraikitra ao amin’ny Faritra Analanjirofo ny fisian’ity kolikoly avo lenta nataon’ny governora ny faritra sy ny kabinetra ary ny PRMP Analanjirofo ity. Misy noho izany ny disadisa eo amin’ny samy mpanoahana ny filoham-pirenena sy ny ady mangatsiaka mihintsy eo amin’ny samy izy ireo amin’izao.
Malala Didier




