- Publicité -
dimanche, septembre 6, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversManjakaray : Mpanendaka roalahy tra-tehaka niaraka tamin’ny antsy lavalela

Manjakaray : Mpanendaka roalahy tra-tehaka niaraka tamin’ny antsy lavalela

Tsy vitsy tokoa no mahalala fa manana tarika na tambajotra iray ireny mpanendaka sy tontakely ireny, izay toa tsy mety fongotra mihitsy eto an-drenivohitra. Fikambanan-jiolahy, izay azo heverina fa manana ny lehibeny, misy isak’ireo faritra ary mety manaraka fiofanana mihitsy. Ireto voasambotry ny pôlisy tetsy Manjakaray, ny andron’ny alarobia teo ireto izao dia fantatra, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny polisim-pirenena fa mpiray fikambanana ao anatin’ilay antsoina hoe « bandin’i Darara ». Andian-jiolahy maromaro izy ireo izay, manao ny asa ratsiny eny amin’iny faritra Manjakaray sy ny manodidina rehetra iny. Efa tsy zoviana amin’ireo pôlisy intsony raha ny endrik’ireto farany, ary voalaza aza moa fa ny iray tamin’ireto voasambotra dia efa karohina fatratra eny anivon’ny kaomisarian’Antaninandro.

Tao anatin’ny hetsika manokana entin’ny pôlisim-pirenena hamongorana ny tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitra no nahatratrana azy roa lahy ireto. Ry zareo pôlisy avy etsy Analamahitsy, nanao fanamiana sivily, no nahasambotra azy ireo teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy. Ny iray voasambotra tetsy Manjakaray akaikin’ny Epp, hoy ny vaovao, raha tra-tehaka tsy lavitra teo kosa ny iray namany hafa. Marihina fa tena mbola ao anatin’ny fahatanorany tanteraka ireto totakely ireto, (18 taona sy 20 taona), kanefa dia efa ikoizana sy raindahiny tanteraka amin’ny resaka fanendahana. Efa samy natolotra ny Fampanoavana omaly avokoa moa izy roa lahy ireto. Heverina kosa fa hitohy ny famotorana ary hiafara amin’ny fandravàna tanteraka ireo fikambanana mpanendaka sy totakely, efa nampitondra faisana ny maro.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici