
Roa sosona ny fahasoavana ny Asabotsy teo. Nahazo zazalahy, avy eo namasinina fanambadiana
Vita soa aman-tsara ny Asabotsy teo, ny fanamasinana ny fanambadian’Atoa Andrianangalisoa Sahy Sedra sy Ramatoa Nambinintsoa Aina Heriliva Jocelyne; izay namasinina tao amin’ny FJKM Andavamamba Kristy Velona. Nisy kely ihany anefa ny fahatarana, fa tsy tonga tamin’ny ora voatondro ny mpanambady. Antony, io andron’ny 13 septambra io, tamin’ny 5 ora sy 55 minitra, niteraka ny zanany lahy voalohany ilay hampakarina. Nomeny ny anarana hoe Fanoela ilay somboniainy. Ny vaovao voaray no nahafantarana fa, tany amin’ny hopitaly izy no niteraka ity zanany lahy kely ity,. Rehefa avy eo, nisalotra ny akanjo mariazy tany an-tranony. Tsy maintsy niroso tamin’ny fanamasinana. Vita akanjo ramatoa ary hita mbola somary reraka ihany, nefa dia narisika tokoa nanoloana ny alitara nanao ny fanekena. Ilay zanany, notrotroin’ny havany nandeha nanatrika ny mariazin-dray aman-dreniny. Hafaliana roa sosona no teo amin’ny fianakaviana roa tonta. Dia hoy koa ny mpitazana, roa sosony hatrany koa ny fankalazana ny tsingerintaona amin’ny taona ho avy rehetra, mariazy sy fahaterahana. Rehefa avy tany am-piangonana moa dia niara-nandeha tamin’ny fanasana ny fianakaviana izay natao teny Atsimondrano. Fantatra fa tsy naharitra nipetraka ela tao amin’ny efitrano filanonana i Nambinintsoa ary nasaina niala sasatra tany amin’ny efitrano fandraisam-bahiny. Ny lanonana nitohy hatrany.
Nangonin’i r.s.