Ny marainan’ny alatsinainy lasa teo no very tetsy alohan’ny Arcade Analakely ity fiara marika « Peugeot Partner » ity. Omaly tokony ho tamin’ny mitatao vonana tany ho any no hitan’ny zandary teny Andriampamaky, lalam-pirenena fahatelo. Nokasain’ireo mpangalatra fa hoentina sy afenina any amin’iny faritra Anjozorobe iny.
Nandritra izay anefa dia efa nentina nihazo toeran-kafa foana ity fiara halatra ity. Ireo mponina tamin’iny faritra Andriampamaky iny no nahatsikaritra izany fiara hafahafa izany, tamin’iny lalana mampitohy an’Ambohitseheno sy Andriampamaky iny ka nampandre avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra tao an-toerana. Nandray ny andraikiny ireto farany ka nametraka sakana tamin’ny lalany, efa hivoaka aty amin’ny lalam-pirenena aty. Rehefa nosavaina dia tena nampiahiahy tokoa na ny fiara na ny mpamily azy. Ity farany izay nentina nohadihadiana avy hatrany moa, rehefa tsy nahavaly ireo fanontaniana napetrak’ireo mpitandro filaminana sy nanome valiny tsy dia mazava loatra.
Tetsy andanin’izay, nisy filazana fikarohana fiara very, izay mitovy tsy misy valaka tamin’ny nentin’ity tovolahy ity mihitsy hita tamin’ny tambajotra sosialy. Teo no fantatra fa halatra ity fiara ity. Nanaiky izany rahateo ilay tovolahy nitondra azy. Nilaza kosa anefa ity farany fa izy sy ny « dadatoany » no niara-nanantanteraka io asa ratsy io ary io nokasain’izy ireo ho entina any Anjozorobe, afenina aloha ilay fiara. Efa mandeha moa ny fikarohana io voalaza fa dadatoany io. Marihana fa efa nisy fitoriana napetrak’ilay niharam-boina tany amin’ny pôlisin’ny SUT, ny andro nahavery ny fiara. Izy ireo araka izany no manohy ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity indray. Ilay olona tratra sy ilay fiara rahateo, efa nampiakarina taty an-drenivohitra avokoa.
m.L




