- Publicité -
dimanche, septembre 6, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversNamontana : Tady miafina hanakanana môtô

Namontana : Tady miafina hanakanana môtô

Tsy mitsaha-mivoatra amin’ny ratsy ny jiolahy mba hanatontosàna ny asany. Etsy Namontana dia nisy indray ny mpandeha kodiaran-droa izay nijoro ho vavolombelona noho ny toe-javatra nahavoa azy. « Nisy tovolahy roa izay nitazona tady. Ny iray etsy amin’ny sisin-dàlana ilany ary ny faharoa kosa etsy amin’ny mifanohitra amin’izay. Zara raha hita ny tady satria alina ny andro. Raha ratsy jiro dia mainka tena tsy ho hita izany. Tamin’izaho nandalo teo an-toerana, soa ihany fa tena tsara jiro ny môtô nentiko ary hitako avy lavitra ireo olona sy ny tady izay notazominy. Mailo aho ka nahavita niverin-dàlana haingana », raha araka ny fitantarany. Ny tanjon’ireo olon-dratsy izany dia ny hampianjera ny kodiaran-droa ary ny hanendaka ny mpandeha na koa haka mihitsy ny moto. Nisesy rahateo ny asan-jiolahy izay nanao lasibatra azy ireny. Vao herinandro lasa aza izay no nisy ramatoa izay voatifitra teny ambony moto ary namoy ny ainy. Midika izany fa tena faritra mena ho an’ny mpampiasa moto hateto iny toerana iny.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici