Nisafidy ny androny alakamisy 31 marsa teo ny fitalevam-paritry ny filaminana anaty Atsinanana nanaovany tatitra ny taona nivalona 2021 tamin’ny vokatra azon’ny polisim-pirenena, sy nanaovany fanamby kosa ireo asa ho tratrarina amin’ity taona 2022 ity.
Nandritra izany no nilazan’ny Jly Rakototiana Laubel talen’ny polisy Atsinanana, fa betsaka ny vokatra azon’izy ireo ny taona nivalona iny. Nahatratra 600 teo ny olona tafiditra am-ponja vonjy maika nataon’ny fitsarana noho ny fanadihadian’ny polisy; 16 kosa ireo jiolahy lavon’ny balan’ny polisy noho ny fifampitifirana teo amin’izy ireo; raha 3 ny polisy naratra nandritra izany, ary basy 13 kosa no sarona azo tamin’ireo jiolahy.
Tao anatin’izay koa dia nilanja 97,6kgs ny rongony sarona, raha nilanja 0kgs sy 300g ny rongony mahery vaika (drogue dure) “heroïne”. Nisy koa ny fahatrarana ireo vokatra vokarin’ny orinasa Ambatovy dia ny “nickel” sy ny “cobalt” nilanja 100kgs be izao; ankilan’ireo môtô 12 sy tuc-tuc iray sarona noho ny halatra nataon’ireo jiolahy. Tsy nitsitsy ireo polisy nihoam-pefy koa ny teto Toamasina ny taona nivalona 2021 iny, ka polisy 19 no tratran’ny “arrêt de rigueur” ka ny 9 tamin’izy ireo voatery tsy maintsy niakatra “conseil de discipline”-ny polisy.
Raha tamin’ity telo volana ny taona vaovao 2022 ity efa nahatratra 100 sahady ireo olon-dratsy tafiditra am-ponja rehefa avy nohadihadian’ny polisy ka niakatra fitsarana. Telo teo ny maty voatifitra noho ny fifanenjehana teo amin’ireo jiolahy sy ny polisy, ary efa 4 sahady ny basy tratra tamin’izy ireo. tao anatin’ity telo volana voalohan’ny taona ity dia efa 6 ny moto saron’ny polisy raha 1 ny tuc-tuc nisy nangalatra tratra. Sainga eo amin’ny zava-mahadomelina kosa dia nahatratra rongony 600g, raha efa 100g ny rongony mahery vaika “héroïne”.
Manana filamatra ho tratrarina koa ny polisim-pirenena atsinanana amin’ity taona vaovao 2022 ity, ka isan’izany ny fanenjehana ireo mpanao trafika na rongony mahery vaika “heroïne”. Voalaza mantsy fa Toamasina, Antananarivo, ary Nosy be no tena fidiran’izany eto Madagasikara ka tsy maintsy fongorina izany noho ny fiantraikany amin’ny tanora. Mitarika tsy fahandriampahalemana koa ny fisian’ireo rongony samy hafa ireo, izay mitarika amin’ny fanafihana mitam-piadiana mihintsy. Efa voakilasy ho faritra mena amin’izany i Toamasina I na mbola mihena izay amin’izao, saingy ireo fanendahana sy vaky trano amin’ny fampiasana antsy no manjaka izao, izay tsy maintsy fongarina fa fahavalon’ny tany hoy ny polisim-pirenena.
Ankoatra izany dia naharay fitarainana zaza very 104 ny polisy misahana ny heloka be vava sy ny zaza tsy ampy taona Toamasina, ka tafaverina avokoa ny 103 tamin’ireo zaza ireo raha mbola karohana kosa ny iray izay tena tsy hita mihintsy hoy ny polisim-pirenena.
Malala Didier




