- Publicité -
samedi, septembre 5, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRongony : Efa misy mivarotra "en ligne" koa

Rongony : Efa misy mivarotra « en ligne » koa

Nahataitra ny maro ny fisian’ny varotra zava-mahadomelina amin’ny tambajotra sosialy tato ho ato. Tsy aritra ary nampiresahina ary dia tena nisy namaly tokoa tsy misy ahiahy. Nilaza mihitsy aza fa azony hatao ny manatitra (livraison) raha ilaina. Hatreo dia azo heverina tena vonona ny hivarotra ilay olona. Varotra izay raràn’ny lalàna tanteraka satria tsy azo hatao ny mifoka na mivarotra na mitazona zava-mahadomelina. Na izany aza iaraha-mahalala ny fiparitahan’izany, indrindra eto an-drenivohitra fa kosa any amin’ny varo-maizina. Isan-kerinandro ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina dia maha-sambotra olona marobe hatrany kanefa dia mbola betsaka koa ny midoroka etsy sy eroa. Ny tena hatahorana eo amin’ny fiaraha-monina aza dia ny fiparitahan’ny « héroïne », zava-mahadomelina izay mbola mafy lavitra noho ny rongony ny fanimbany ny saina. Izany anefa dia hita etsy sy eroa ary voakasika ny tanora, ny mpianatra. Etsy ankilan’izany, tsikaritra koa fa na betsaka aza ny tombontsoan’ny tambajotra sosialy dia tsy vitsy koa ny manararaotra azy amin’ny ratsy. Efa hita ao avokoa ny fivarotan-tena, ny varotra fitaovam-piadiana ary izao koa dia efa mipoitra ny mpivarotra rongony. Any ivelany dia ny manenjika ireny mpiantsehatra amin’ny varo-maizina amin’ny aterineto ireny no tena iompanan’ny mpitandro ny filaminana miandraikitra ny heloka amin’ny internet. Mila hamafisina ny toa izany eto amintsika satria miha-mahazo vahana ny olon-dratsy mampidi-kizo ny fiaraha-monina avy amin’ny fampiasàna tambajotra.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici