- Publicité -
vendredi, septembre 4, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAlakamisy Fenoarivo : Tokatrano an’ny mpandraharaha voatafika, lasa ny vola, naratra ny...

Alakamisy Fenoarivo : Tokatrano an’ny mpandraharaha voatafika, lasa ny vola, naratra ny tompon-trano

Nihevitra ny saika hamaly ireto mpanafika ny tokantranony ihany ity raim-pianakaviana ity saingy tratry ny be noho ny vitsy. Tranga niseho tetsy Alakamisy Fenoarivo, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo.

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny fokontany Ankadivory, Kaominina Alakamisy Fenoarivo, omaly vao maraim-be tokony ho tamin’ny iray ora tany ho any. Raha ny fampitam-baovao azo dia jiolahy telo, nirongo zava-maranitra no nanao amboletra niditra tao amin’ity tokatranona mpandraharaha iray teny an-toerana ity. « Novakian’izy ireo ny fitaratra sy ny varavarana ary tafatsofoka tao an-trano izy ireo ». Tao anatin’ny minitra vitsy dia voafehin’ireto olon-dratsy ny tao an-trano. Raikitra amin’izay ny fandrahoanana isan-karazany toy ny hoe « avohay ny vola raha tsy izany maty ianareo ». Ankevitry ny efa fantampatatr’ireo olon-dratsy tokoa ny fisiana vola tao amin’io trano io, hoy hatrany ny vaovao. Tamin’io fotoana io, dia tsy nisy basy teny am-pelan-tanan’ireo mpanafika, ankoatry ny sabatra sy zava-maranitra hafa. Nahita izay angaha ny tompon-trano ka niezaka sy nanangona ny heriny rehetra, saika hanohitra ireto jiolahy sy hiaro ny tokatranony. Saingy indrisy fa sendra ny be noho ny vitsy sy tanam-polo ka tsy nanan’ireo olon-dratsy indrafo. Naratra mafy vokatr’izay ity farany. Teo anatrehan’izay, hany herin’ireo tao an-trano dia nanome ny sakaosy iray nisy vola sy antonta-taratasina fiara maromaro, izay lasan’ireo jiolahy tsy nasiany fameriny. Marihana fa tsy fantatra isa ny vola lasa tany, fa tombanana ho am-polony tapitrisa ariary mahery any ho any, hoy ny fampitam-baovao azo.

Minitra vitsy taorian’ny nisian’ireo fanafihana io no tonga ireo zandary, rehefa nampandrenesina. Niezaka nanao ny savahao sy ny fanenjehana ireto mpanafika saingy tsy tafaporitsaka sy nafenin’ny haizina ry zalahy. Mbola mitohy moa io fikarohana io hatramin’ny omaly. Manaraka azy eny ny fanafidihadiana ataon’ireo zandary any an-toerana. Ilay raim-pianakaviana naratra kosa, tetsy andanin’izay dia efa nentina novonjena sy nomena fitsaboana teny amin’ny tobim-pahasalamana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici