- Publicité -
vendredi, septembre 4, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpefiloha : Jiolahy roa mpanafika « cash point » voasambotra

Ampefiloha : Jiolahy roa mpanafika « cash point » voasambotra

Tsy namelan’ireo mpanao fikarohana raha tsy voasambotra ny roa tamin’ireo telo lahy nanafika « cash point » iray teny amin’iny faritra Antanimena iny. Ny iray tamin’izy ireo moa efa voatifitra ary maty tetsy amin’ny Canal Andriantany, ny andron’ny fanafihana ihany. Ny alatsinainy lasa teo no voasambotry ny pôlisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava sakelika fahatelo izy ireo rehefa nisy ny fanarahan-dia sy ny velam-pandrika natao. Tsy afa-niala intsony ireto farany fa dia noraisim-potsiny teo amin’ny toerana nahitàna azy ireo. « Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy izy ireo nanaovana fanadihadiana. Niaiky izy roa lahy fa tena anisan’ireo jiolahy nandray anjara tamin’iny fanafihana cash point teny Antanimena iny ». Tsiahivina tokoa fa ny andron’ny 9 febroary lasa teo dia « cash point » iray teny amin’iny faritra Antanimena ambany, manakaiky ny « stade Malacam » no niharan’ny fanafihana mitam-piadiana. Jiolahy telo izy ireo tamin’izay fotoana izay. « Ny iray niandry teo ivelany niaraka amin’ny basy ny ambiny kosa nandroba ity cash point ity. Nambanan’ireto olon-dratsy ireto basy ilay tompona cash point. Vola mitentina 3 tapitrisa Ariary sy finday maromaro no lasan’ireto jiolahy ireto tamin’izany. Rehefa azon’izy ireo izay nilainy dia nitsoaka nihazo an’i 67ha ry zareo. Niantso vonjy moa ny tompon’ilay cash point ka dia raikitra ny fifanenjehan’ny Polisy sy ny fokonolona ireto jiolahy ireto. Rehefa tonga tetsy amin’ny Post 67 ha dia nitsoraka tao anaty ranon’ny canal Andriantany ny iray tamin’ireo olon-dratsy, ny namany kosa tafaporitsaka tany anaty helankelan-trano. Ity jiolahy tafalatsaka tao anaty rano ity kosa mbola nanohitra ny Polisy izay marihina fa nitondra basy ka voatery nitifitra ny Polisy ary maty ity jiolahy ity. Mbola tratra teny aminy ilay basy nampiasainy » hoy ny fampitam-baovao. Taty aoriana, dia izao tra-tehaka izao ny namany, rehefa nisy vaovao azon’ny pôlisy. Omaly moa ireto jiolahy ireto no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja avy hatrany.

m.L 

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici