- Publicité -
samedi, août 2, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-Divers« Rond point » BMH Isotry : Lasibatry ny mpanendaka hatrany ny mpiantsena

« Rond point » BMH Isotry : Lasibatry ny mpanendaka hatrany ny mpiantsena

Tsy maraina tsy antoandro tsy alina fa dia lasibatra foana ireo olona sendra mandalo eny amin’iny faritra « rond point » eo amin’ny Bmh eo Isotry iny. Toerana efa azo lazaina fa tena tokotanin’ireo tontakely, hatramin’izay ka hatramin’izao, tokoa raha io toerana io, indrindra fa io mitsofoka mankaty amin’ny hidin-dalam-by, na ilay mankany Andranomanalina, mihazo ny tetezan-dRamala iny. Efa maro tokoa ny ezaka ataon’ireo mpitandro filaminana, hisafoana matetika ireo toerana ireo, ary tsapa tamin’ireo fisamborana marobe teny. Saingy ny mahagaga dia mijanona ho faritra mena foana izany ary tsy misy fotoana tsy ahenoana olona voaendaka amin’izany faritra izany.

Omaly maraina izao, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy, dia nisy olona, mpiantsena, lasibatra, tsy lavitra ny « rond point » eo amin’ny Bmh Isotry, tokony ho tamin’ny sivy ora maraina tany ho any. Soa ihany anefa, hoy hatrany ny vaovao, fa efa mipetrapetraka foana ny paik’ady rehetra ataon’izy ireo entina miady amin’izany asa ratsy izany. Tsy lasa lavitra dia voasambotara ireto tontakely, roa lahy, izay nanao ny asa ratsiny tamin’io fotoana io. « Ao anatin’ny ezaka fanatsarana ny fitandroana ny filaminana hatrany ny eo anivon’ny polisim-pirenena », hoy ny vaovao, ka manao ny ezaka rehetra amin’ny fametrahana ireo tetikady maro isan-karazany.

Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria moa izy ireo ho amin’ny famotorana. Niaiky ny heloka vitany izy roa lahy ireto nandritra ny fakàna am-bavany azy. Hatolotra tsy ho ela ny Fampanoavana kosa aorian’izay.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici