- Publicité -
vendredi, septembre 4, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBehoririka : Akanjo nisy sarina rongony, voasambotra ny mpivarotra

Behoririka : Akanjo nisy sarina rongony, voasambotra ny mpivarotra

Ao anatin’ny hetsika entina iadiana amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina dia niroso tamin’ny hetsika sy paik’ady hafa indray ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena. Ny fanalàna ireo fitafiana teny an-tsena sy fanenjehana ireo olona misalotra akanjo misy sarin-drongony. Nisy iray tamin’ireo mpivarotra mihitsy aza, teny amin’iny faritra Behoririka no nosamborina araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena. « Noentina nanaovana fanadihadiana io mpivarotra iray tetsy behoririka io noho ny fivarotana akanjo ahitana sarin-drongony izay enjehin’ny lalàna. Tsy azo atao ary voararan’ny lalàna ny fivarotana na fanaovana ireny akanjo sy fitaovana miendrika fisitomana ny olona hiditra amin’ny fidoroana zava-mahadomelina ireny araka ny voarakitra ao anaty lalàna » hoy ny vaovao. Azo raisina ho fiantsiana olona handray zava-mahadomelina mantsy ny fivarotana, fanamboarana na fisalorana izany fitafiana izany. Raha ny voarakitra ao amin’ny andininy faha-103, ao amin’ny lalàna laharana faha 97-039 tamin’ny 04 Novambra 1997, mahakasika ny fifehezana ireo karazana zava-mahadomelina sy ny vokatra misy zava-mahadomelina tokoa mantsy : «  dia enjehin’ny lalàna ny fanaovan-javatra amin’ny lafiny rehetra, mivantana na ankolaka, ka mety hiteraka fiantsiana handray zava-mahadomelina». Mampigadra herintaona ka hatramin’ny dimy taona izany fandikan-dalàna izany, raha ny voalaza ao ihany. Araka izany, hatreto dia mbola manentana ny tsy hivarotana ireny fitafiana na karazan-javatra maneho sarina rongony ireny intsony ny pôlisim-pirenena, eny fa na hatramin’ny fisalorana sy fitondrana izany eny imasom-bahoaka aza. «  (…) mety hiafara amin’ny fakàna ireo entana amidy izany » hoy hatrany ny vaovao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici