Nilalao kanety ary nampiditra izany tany am-bava kanjo voatelina tampoka. Izay no nanjo ilay vavikely izay vao efa-taona monja, monina eny Itaosy. Niezaka ihany tamin’ny fanavotana azy na teo an-toerana na teny amin’ny toeram-pitsaboana saingy tsy tàna intsony ny ainy. Ny lalan-drivotra no notohanan’ilay kanety ary sempotra izy vokatr’izany ka nitarika ny fahafatesany. Mampalahelo ny zava-nisy ary azo sary an-tsaina ny fahorian’ny ray aman-dreniny izay namoy zanaka tao anatin’ny fotoana fohy. Nalevina ny alarobia teo izy raha ny talata no namoy ny ainy. Ny tranga toa izao dia tokony entina hieritreretana ny fijerena ny kilalao izay mety hitera-doza ho an’ny zazakely kanefa miparitaka eny an-tsena. Tsy voatery ho araky ny ray aman-dreny avokoa mantsy, indrindra raha miasa izy ireo, ny fanaraha-maso izay eny an-tànan’ny zaza. Any ivelany dia misy komity manokana mihitsy mijery sy manara-maso ny kilalao amidy ary koa manome alàlana na tsia ny famarotana azy. Saro-pady loatra mantsy ny fahasalaman’ny zaza ary omen-danja ny fanaraha-maso izany. Eto amintsika, betsaka loatra ny kilalao tsy fanta-piaviana ary mila araha-maso ny famarotana azy izay miparitaka etsy sy eroa, indrindra ent amin’ny sisin-dàlana rehetra eny.
D.R




