Olona iray no fantatra fa maty, ary nahatratra 21 ny naiditra teny amin’ny HJRA omaly hariva, raha ny tatitra azo teny an-toerana. Voalaza fa matin’ny lozam-pifamoivoizana io olona iray namoy ny ainy nentina teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA io. Rangahy tokony ho 50 taona eo ho eo. Maro kosa ireo naratra noho ny lozam-piarakodia sy ny loza an-dalambe tamin’izany, ka anisan’izany ny teny Ambohitrimanjaka. Anisan’ny nanamarika ny omaly ihany koa ny fisian’ny tovolahy tratran’ny «overdose » noho ny fandraisana « héroïne », nentina namonjy ny HJRA. Toe-javatra tsy fahita firy ity tranga ity, saingy mahazo vahana izany tato ho ato noho ny firongatry ny fiparitahan’ity zava-mahadomelina mahery vaika ity. Olona roa ihany koa no fantatra fa narary vokatry ny fisotroana be loatra naiditra hopitaly ka manaraka fitsaboana.
Andaniny, nanao ny ainy tsy ho zavatra ny teo anivon’ny zandarimaria tamin’ny fampiharana ny paska ieren-doza ka nanetsika ny zandary maro nanerana ny lalana mivoaka ny renivohitra, sy tamin’ireo toerana be olona rehetra. Nandamina ny fifamoivoizana, nanara-maso ny fitaterana sy ny fampiasana kodiaran-droa, sy ny fiaran’olon-tsotra ihany koa. Fanentanana no nataon’izy ireo amin’ny ankapobeny fa tsy nisy kosa ny fanasaziana. Nilamina ny asan’ny zandarimaria teto anivon’ny Imerina Afovoany amin’ny ankapobeny.
Yv Sam




